Joba

Fidirana amin'ireo Toko: 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34, 35, 36, 37, 38, 39, 40, 41, 42

 

Toko 1

1 [Ny amin'ny toetr'i Joba sy ny fizahan-toetra azy voalohany] Nisy lehilahy tany amin'ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an'Andriamanitra ka nifady ny ratsy.

2 Ary niteraka fito lahy sy vavy telo izy.

3 Ary ny fananany dia ondry aman'osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany.

4 Ary fanaon'ny zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an'androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.

5 Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan'izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an'Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon'i Joba mandrakariva.

 

6 Ary tamin'ny indray andro nony avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy.

7 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an'i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.

8 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy.

9 Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran'i Joba an'Andriamanitra?

10 Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan'ny tànany ka manenika ny tany ny omby aman'ondriny.

11 Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handà Anao eo imasonao aza* izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy]

12 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah.

13 Ary tamin'ny indray andro dia nihinana sy nisotro divay teo an-tranon'ny zokiny lahimatoa ny zananilahy sy ny zananivavy;

14 ary nisy iraka tonga tany amin'i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy nandrasana teo anilany,

15 dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.

16 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon'Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman'osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.

17 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.

18 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa;

19 ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin'ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.

20 Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka

21 sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah

22 Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an'Andriamanitra.

Toko 2

1 [Ny fizahan-toetra faharoa nahazo an'i Joba, sy ny namangian'ny sakaizany telo lahy azy] Ary tamin'ny indray andro koa dia avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan'i Jehovah.

2 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.

3 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao.

4 Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin'ny hoditra, eny, izay rehetra ananan'ny olona dia homeny ho-fefin'ny ainy.

5 Fa ahinjiro ange ny tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handà Anao eo Imasonao aza* Izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy]

6 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.

7 Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan'i Jehovah ka namely vay ratsy an'i Joba hatramin'ny faladiany ka hatramin'ny tampon-dohany.

8 Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.

9 Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an'Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty.

10 Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin'ny anankiray amin'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota tamin'ny molony Joba.

 

11 Ary rehefa ren'ny sakaizan'i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin'ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.

12 Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin'ny lanitra hiraraka amin'ny lohany.

13 Ary niara-nipetraka teo aminy tamin'ny tany hafitoan'andro sy hafitoan'alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.

*

Toko 3

1 [Ny fitarainan'i Joba noho ny fahoriana nanjo azy] Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny

2 nanao hoe:

3 Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!

4 Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy;

5 Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray*; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.[Na:handoto azy]

6 Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin'ny andron'ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana;

7 Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;

8 Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;

9 Aoka ho maizina ny kintan'ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason'ny maraina izy,

10 Satria tsy nanidy ny varavaran'ny kibon'ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin'ny masoko.

*

11 Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e?

12 Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?

13 Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,

14 Teo amin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin'ny tany, izay nanao* ireny tanàna efa rava**, [*Na: namboatra][**Na: fasana lehibe]

15 Na teo amin'ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;

16 Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.

17 Any no itsaharan'ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;

18 Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy.

19 Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony.

*

20 Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an'izay latsaka amin'ny fangidiana?

21 Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina:

22 Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana,

23 Dia olona izay mandeha ao amin'ny maizina sady voafefin'Andriamanitra manodidina.

24 Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;

25 Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.

26 Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby.

*

Toko 4

1 [Ny teny voalohany nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:

2 Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany?

3 Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao;

4 Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao

5 Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao

6 Tsy ny fivavahanao* va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian'ny lalanao? [Heb. fahatahoranao]

*

7 Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?

8 Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.

9 Ny fofonain'Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain'ny fahatezerany no mahalevona azy.

10 Ny feon'ny olona, eny, ny feon'ny liona masiaka, ary ny nifin'ny liona tanora dia ombotana;

11 Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy.

*

12 Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,

13 Tamin'ny eritreritra avy amin'ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,

14 Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.

15 Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.

16 Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan'ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:

17 Ho marina noho* Andriamanitra va ny zanak'olombelona? Ho madio noho* ny Mpanao azy va ny olona?[Na: eo anatrehan']

18 Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.

19 Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin'ny vovoka no nihaviany*, ary mora poritra noho ny kalalao izy;[Heb. ao amin'ny vovoka fiorenany]

20 Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.

21 Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.

Toko 5

1 Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin'ireo masina no hotodihinao?

2 Fa ny adala dia vonoin'ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin'ny fialonana.

3 Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho;

4 Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy;

5 Ny vokatry ny taniny dia lanin'ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany

6 Fa tsy mivoaka avy amin'ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin'ny tany ny fahoriana,

7 Nefa teraka ho amin'ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin'ny kilalaon'afo miakatra

8 Fa raha toa ahy kosa dia hitady an'Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko,

9 Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa,

10 Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin'ny tany ary mampandeha rano eny amin'ny saha,

11 Ka apetrany amin'ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin'ny fahafinaretana ny miory,

12 Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan'ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany;

13 Ny fahafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon'ny mpiolakolaka dia rava;

14 Na dia amin'ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin'ny maizina ireny ka miraparapa amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny alina;

15 Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan'ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon'ny tanan'ny mahery izy.

16 Dia misy fanantenana ho an'ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava

*

17 Indro, sambatra ny zanak'olombelona izay anarin'Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan'ny Tsitoha;

18 Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana.

19 Amin'ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin'ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.

20 Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin'ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan'ny sabatra Izy;

21 Hampiereny tsy ho voan'ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana;

22 Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia;

23 Fa vita fanekena amin'ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao;

24 Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao;

25 Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin'ny tany;

26 Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin'ny fotoana.

27 Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara.

Toko 6

1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:

 

2 Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin'ny mizana izy sy ny fahoriako!

3 Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho.

4 Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.

5 Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin'ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin'ny fihinany?

6 Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin'atody*? [Na: ranon-tsikobonkobon-danitra]

7 Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza.

*

8 Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen'Andriamanitra ahy anie izay iriko!

9 Ka ho sitrak'Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka hahamaito ny aiko,

10 Dia hahita fiononana amin'izany aho ka hiravoravo na dia amin'ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin'ny Iray Masina aho.

11 Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo* aho? [Na: hanalava ny androko]

12 Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko?

13 Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana?

*

14 Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.

15 Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,

16 Izay mainty azon'ny ranomandry Sady iafenan'ny oram-panala;

17 Fa raha taninin'ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin'ny fitoerany izy;

18 Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona.

19 Ny antokon'i Tema mitazana, ny andian'i Sheba manantena azy;

20 Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay.

21 Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra.

22 Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin'ny fanananareo,

23 Ary vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalo aho, ka afaho amin'ny tanan'ny mpitohatoha?

 

*

24 Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.

25 Endrey ny herin'ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?

26 Ny amin'ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin'ny rivotra ny tenin'ny olona mamoy fo.

27 Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra.

28 Fa ankehitriny, masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho.

29 Masìna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako.

30 Moa misy heloka va eo amin'ny lelako?

Toko 7

1 Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak'olombelona etỳ ambonin'ny tany? Ary tsy tahaka ny andron'ny mpikarama va ny androny?

2 Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman'ny asany,

3 Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.

4 Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina*, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan'ny andro.[Heb. hariva]

5 Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.

6 Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.

7 Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.

8 Tsy hahita ahy intsony ny mason'izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.

9 Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin'ny fiainan-tsi-hita* tsy mba hiakatra intsony;[Heb. Sheola]

10 Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.

*

11 Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian'ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian'ny aiko.

12 Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?

13 Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.

14 Dia mampitahotra ahy amin'ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin'ny tsindrimandry;

15 Ka dia aleon'ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako* izato;[Heb. taolako]

16 Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.

*

17 Inona moa ny zanak'olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,

18 Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?

19 Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?

20 Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?

21 Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin'ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.

*

Toko 8

1 [Ny teny voalohany nataon'i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:

2 Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?

3 Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?

4 Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.

5 Fa raha ianao kosa mandroso mitady an'Andriamanitra ka mifona amin'ny Tsitoha.

6 Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy* anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan'ny fahamarinanao,[Na: hiambina]

7 Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.

*

8 Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan'ny razany

9 (Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin'ny tany);

10 Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?

11 Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin'ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?

12 Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan'ny zava-maitso rehetra.

13 Toy izany no lalan'izay rehetra manadino an'Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy*,[Na: ratsy fanahy]

14 Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.

15 Miankina amin'ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.

16 Mitsimoka tsara tandrifin'ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin'ny tanimboliny;

17 Mifelipelika mifaniditra eo amin'ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;

18 Kanjo nony fongorany hiala amin'ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.

19 Indro, izany ihany no fifalian'ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin'ny vovoka.

20 Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;

21 Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.

22 Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy.

*

Toko 9

1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:

2 Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra?

3 Raha te-hifandahatra aminy izy,dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin'ny arivo aza.

4 Hendry am-po Izy sady matanjaka amin'ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?

5 Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin'ny fahatezerany,

6 Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin'ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;

7 Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;

8 Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;

9 Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo*,[Heb. ireny efi-trano erỳ atsimo]

10 Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.

*

11 Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.

12 Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?

13 Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba* aza dia mitanondrika eo ambaniny.[Rahaba = Rehareha]

14 Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;

15 Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin'Ilay manana ady amiko no hany heriko.

16 Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.

17 Fa manorotoro ahy amin'ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.

18 Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.

19 Raha ny amin'ny herin'ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin'ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?

20 Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.

21 Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.

*

22 Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.

23 Raha misy loza* mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.[Heb. fikapohana]

24 Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan'ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?

25 Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.

26 Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha* izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.[Heb. lakana zozoro]

*

27 Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,

28 Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.

29 Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?

30 Na dia mandro amin'ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin'ny ranon-davenona,

31 Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin'izay Hianao, ka hataon'ny fitafiako ho zava-betaveta aho.

32 Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin'ny fitsarana.

33 Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.

34 Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,

35 Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.

Toko 10

1 Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian'ny fanahiko

2 Hanao amin'Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton'ny iadianao amiko aho.

3 Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy?

4 Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin'ny zanak'olombelona?

5 Tahaka ny andron'ny zanak'olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan'ny olombelona ny taonanao,

6 No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,

7 Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin'ny tananao?

8 Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.

9 Masina Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin'ny vovoka indray Hianao!

10 Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?

11 Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin'ny taolana sy ny ozatra.

12 Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.

13 Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:

*

14 Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin'ny heloko.

15 Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.

16 Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.

17 Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.

*

18 Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.

19 Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.

20 Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,

21 Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin'ny tanin'ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,

22 Ho any amin'ny tany maizim-pito, dia ny an'ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.

*

Toko 11

1 [Ny teny voalohany nataon'i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:

2 Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va?

3 Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra,

4 Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho.

5 Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao!

6 Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany* izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian'Andriamanitra avokoa ny helokao.[Heb. roa sosona]

7 Takatry ny sainao va ny fomban*'Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha [Na: ny famantarana an']

8 Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita*! ka inona no fantatrao? [Heb. Sheola]

9 Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina.

10 Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?

11 Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy*.[Na: Ary hitany ny heloka izay tsy heverin'ny olona akory]

12 Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona*.[Na: Nefa ny olom-poana dia tsy manam-pahendrena; Eny, ny olombelona dia teraka ho toy ny boriki-dia]

*

13 Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao,

14 Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao;

15 Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra;

16 Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.

17 Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina.

18 Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin'ahiahy.

19 Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao.

20 Fa ny mason'ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina.

*

Toko 12

1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:

2 Marina ary fa ianareo ihany tokoa olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena!

3 Kanefa izaho mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany?

4 Tonga fihomehezan'ny sakaizako aho. Dia izaho izay niantso an'Andriamanitra ka novaliany; Eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny.

5 Endrehin-datsa ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin'izay ela mangozohozo ny latsa*.[Na: Fanilo milopilony ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, ka tandrifiny ho an'izay efa ho tafintohina ihany]

*

6 Mandry fahizay ny lain'ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an'Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin'ny tànany ho andriamaniny

7 Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy;

8 Ary makà saina* amin'ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao.[Na: amin'ny hazo madinika]

9 Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny*, fa ny nanao izany dia ny tanan'i Jehovah,[Na: Iza amin'ireny rehetra ireny no tsy mahalala]

10 Izay mitana ny ain'ny zava-manan'aina rehetra sy ny fofonain'ny olombelona rehetra?

11 Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?

12 Ao amin'ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana.

13 Ao amin'Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy fahalalana.

14 Indro, mandrava Izy, ka tsy hatsangana intsony; Manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana.

15 Indro, manampina ny rano Izy, ka dia ritra iny; Ary alefany indray ka mahasimba ny tany.

16 Izy no manana hery sy tena fahendrena; Samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka.

17 Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan'ny mpitsara.

18 Vahany ny fifehezan'ny mpanjaka, ka feheziny mahazaka ny valahany.

19 Alàny voninahitra ny mpisorona, dia entiny, ary ny mafy orina ela dia ravany.

20 Koroiny ny laha-tenin'ny mahay, ary ny fahazavan-tsain'ny anti-panahy dia esoriny.

21 Mandatsaka fanamavoana amin'ny andriandahy Izy, ary ketrahiny ny fehin-kibon'ny matanjaka.

22 Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin'ny mazava.

23 Mahalehibe ny firenena Izy, nefa mandringana azy koa, mampihahaka ny firenena Izy, nefa mitondra azy hody indray.

24 Mahavery saina ny loholona amin'ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;

25 Mitsapatsapa amin'ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy.

Toko 13

1 Indro, izany rehetra izany efa hitan'ny masoko, ary efa ren'ny sofiko ka fantany.

2 Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory.

3 Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.

4 Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra,

5 Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany!

*

6 Masìna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.

7 Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an'Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?

8 Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an'Andriamanitra va ianareo

9 Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak'olombelona va Izy?

10 Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo.

11 Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy?

12 Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo.

13 Mangina, ka mialà amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.

*

14 Nahoana no hitondra ny nofoko amin'ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho*.[Na: Ka manao ny aiko eo an-tanako]

15 Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho*; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.[Na: Indro, hamono ahy Izy, tsy manam-panantenana aho]

16 Ary izao no ho famonjena ahy: Ny* mpihatsaravelatsihy** tsy sahy mankeo anatrehany.[*Na: Ary ho famonjena ahy Izy, fa ny][**Na: ratsy fanahy]

17 Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren'ny sofinareo ny filazàko.

18 Indro, fa efa voatoriko* ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.[Na: voalamiko]

19 Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.

*

20 Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;

21 Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao.

22 Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho.

23 Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho.

24 Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?

25 Moa izay ravin-kazo indaosin'ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao?

26 Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako;

27 Dia mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin'ny tongotro dia feranao.

28 Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin'ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin'ny kalalao.

Toko 14

1 Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.

2 Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana*, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.[Na: malazo]

3 kanefa amin'izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin'ny fitsarana*![Na: fitsaranao]

4 Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.

5 Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan'ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana,

6 Dia mihodina tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin*'ny androny toy ny mpikarama.[Na: hotaperany]

7 Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony;

8 Na dia efa tonga antitra ao amin'ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin'ny vovoka ny fotony,

9 Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.

10 Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?

11 Ny rano miala eo amin'ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra,

12 Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian'ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin'ny torimasony.

*

13 Enga anie ka hanafina ahy any amin'ny fiainan-tsi-hita* Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr'andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy [Heb. Sheola]

14 Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan'ny fahafahako*.[Na: fiovako]

15 Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan'ny tananao Hianao.

16 Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?

17 Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.

18 Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin'ny fitoerany;

19 Lanin'ny rano ny vato; ary indaosin'ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan'ny zanak'olombelona.

20 Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.

21 Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.

22 Ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.

*

Toko 15

1 [Ny teny fanindroany nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:

2 Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin'ny rivotra avy any atsinanana va,

3 Ary hamaly amin'ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara?

4 Eny, foananao ny fahatahorana an'Andriamanitra, ary tampenanao* ny fivavahana eo anatrehany;[Na: hamavoinao]

5 Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan'ny fetsy ianao*.[Na: Tsy maneho ny helokao va ny vavanao, Na dia mianatra ny lelan'ny fetsy aza ianao?]

6 Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao.

*

7 Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan'ny tendrombohitra va ianao?

8 Isan'ny mpihevitra teo amin'Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?

9 Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa?

10 Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.

11 Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin'Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin'ny fahalemem-panahy?

12 Nahoana no dia entin'ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao,

13 Ka miefonefona amin'Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao?

14 Inona ny zanak'olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?

15 Indro, ireo anjeliny* aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;[Heb. masina]

16 Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano!

*

17 Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko,

18 Dia zavatra notorin'ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin'ny razany;

19 Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.

20 Ny ratsy fanahy mijalijaly amin'ny androny rehetra, dia amin'ny taona rehetra voatendry ho an'ny lozabe.

21 Feo mampitahotra no ren'ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.

22 Tsy manantena ho afaka amin'ny maizina izy; Andrasan'ny sabatra izy.

23 Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.

24 Fahoriana sy fahaporitana* no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin'ny ady,[Na: Alahelo sy ahiahy]

25 Satria naninjitra ny tanany hanohitra an'Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.

26 Mimaona amin'ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin'ny foitran'ampingany matevina,

27 Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany;

28 Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran'olona, izay efa voatendry ho korontam-bato.

29 Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra* ambonin'ny tany ny fananany.[Heb. hilonjehitra amin'ny tany toy ny vary efa vokatra]

30 Tsy ho afaka amin'ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon'ny lelafo; ho levon'ny fofonain'Andriamanitra izy.

31 Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy.

32 Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany.

33 Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny.

34 Fa tsy ho vanona ny ankohonan'ny mpihatsaravelatsihy*, ary ho lanin'ny afo ny tranon'ny mpitoroka.[Na: ratsy fanahy]

35 Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.

*

Toko 16

1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:

2 Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.

3 Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?

4 Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;

5 Mahazo mampahery anareo amin'ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon'ny molotro.

*

6 Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangina aza aho, dia tsy misy mihena izany.

7 Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.

8 Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao*, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.[Na: nosamborinao aho]

9 Amin'ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;

10 Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.

11 Efa voatolotr'Andriamanitra ho amin'ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan'ny mpanota.

12 Tamin'ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin'ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.

13 Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin'ny tany.

14 Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.

15 Lamba fisaonana* no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin'ny vovoka ny tandroko.[Heb. lamba malailay]

16 Ny tavako tera-menan'ny fitomaniana, ary eo amin'ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;

17 Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.

18 Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!

19 Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin'ny avo.

20 Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan'Andriamanitra kosa aho,

21 Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak'olombelona amin'ny sakaizako*.[Heb. sakaizany]

22 Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin'ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.

Toko 17

1 Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana.

2 Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho.

3 Masina Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy?

4 Fa ny fon'ireto dia voahidinao tsy hidiran'ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy.

5 Izay manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason'ny zanany.

*

6 Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin'ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako.

7 Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra.

8 Ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy.40

9 Fa ny marina mifikitra tsara amin'ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery.

10 Avia avokoa indray ary ianareo rehetra tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho.

*

11 Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin'ny foko indrindra;

12 Ny alina ataon'ireny ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina.

13 Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita* fonenako ihany; Ao amin'ny maizina no hamelarako ny fandriako.[Heb. Sheola]

14 Ny fasana* no nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao.[Na: Ny fahalòvana]

15 Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy?

16 Midina any amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita* izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin'ny vovoka aho.[Heb. Sheola]

*

Toko 18

1 [Ny teny fanindroany nataon'i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:

2 Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay.

3 Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?

4 Ry ilay mamiravira tena amin'ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin'ny fitoerany?

5 Tsy izany, fa ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;

6 Ny mazava manjary maizina ao amin'ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.

7 Etena ny herin'ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.

8 Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin'ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin'ny harato izy;

9 Azon'ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon'ny tadivavarana

10 Miafina ao amin'ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.

11 Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin'ny alehany rehetra.

12 Liana azy ny loza*, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;[Na: Lanin'ny mosary izy]

13 Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin'ny lahimatoan'ny fahafatesana.

14 Ongotana hiala amin'ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin'ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.

15 Izay tsy taranany no hitoetra ao amin'ny lainy; Solifara no hafafy amin'ny fonenany.

16 Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka* ny rantsany eo ambony.[Na: malazo]

17 Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin'ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy.

18 Roahina hiala amin'ny mazava ho any amin'ny maizina izy ary enjehina hiala amin'izao tontolo izao.

19 Tsy manana fara mandimby eo amin'ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin'ny fonenany.

20 Ny manjo azy dia italanjonan'ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.

21 Izany tokoa no anjaran'ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an'Andriamanitra.

*

Toko 19

1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:

2 Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin'ny fiteny?

3 Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo.

4 Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian'ny fa hadisoako.

5 Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,

6 Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin'ny fandrika haratony.

7 Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.

8 Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin'ny lalana alehako.

9 Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako.

10 Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.

11 Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho.

12 Miara-mandroso ny antokon'ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko.

13 Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.

14 Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.

15 Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho.

16 Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin'ny vavako aho.

17 Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak'ineny aho.

18 Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny.

19 Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.

20 Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra.

*

21 Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan'Andriamanitra efa mikasika ahy.

22 Nahoana no manenjika ahy tahaka an'Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin'ny nofoko?

23 Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin'ny boky ireny!

24 Enga anie ka ho voasoratra amin'ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin'ny vatolampy ho mandrakizay izy!

25 Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra* ahy, ka hitsangana any am-parany** eo ambonin'ny vovoka Izy.[*Heb. Goela][**Na: ho farany]

26 Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra*;[Na: Dia hahita an'Andriamanitra amin'ny nofoko aho]

27 Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko* ato anatiko.[Heb. voako]

28 Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny* ny fototry ny mahameloka azy**.[*Heb. anatiko][**Heb. ahy]

29 Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.

*

Toko 20

1 [Ny teny fanindroany nataon'i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:

2 Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho* ny fihetsiketsiky ny saiko.[Na: Ary izany no mahatonga]

3 Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin'ny fahalalako.

4 Tsy fantatrao va fa hatramin'ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin'ny tany,

5 Dia vetivety foana ny firavoravoan'ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian'ny mpihatsaravelatsihy?44

6 Fa na dia mipaka amin'ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin'ny rahona ny lohany,

7 Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny* ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy?[Na: ny tain'omby atainy]

8 Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin'ny alina izy.

9 Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany.

10 Ny zanany hitambitamby amin'ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.

11 Ny taolany dia feno ny herin'ny fahatanorana*, Nefa hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka izany.[Na: ota tsy fantatra]

12 Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin'ny lelany,

13 Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin'ny lanilaniny ihany,

14 Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon'ny vipera no ao anatiny.

15 Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran'Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.

16 Ny poizin'ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan'ny menarana.

17 Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.

18 Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany.

19 Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.

20 Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin'ny tiany indrindra izy.

21 Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany.

22 Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan'ny ory no hamely azy.

23 Halefan'Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.

24 Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;

25 Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin'ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin'ny aferony; Lasa izy azon'ny fahatahorana mafy.

26 Ny aizim-pito no voarakitra ho amin'ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin'ny lainy.

27 Hambaran'ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy,

28 Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin'ny andro fahatezerany.

29 Izany no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy.

*

Toko 21

1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:

2 Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.

3 Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo.

4 Raha ny amiko, moa ny ataon'ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?

5 Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava.

6 Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:

7 Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?

8 Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.

9 Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon'Andriamanitra tsy mamely azy.

10 Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.

11 Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman'osy izy, ka mikoriana ny zanany.

12 Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin'ny feon-tsodina.

13 Mandany ny androny amin'ny fahafinaretana izy; Amin'ny indray mipi-maso monja no idinany any amin'ny fiainan-tsi-hita*.[Heb. Sheola]

14 Kanefa anie ireo no manao amin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.

15 Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?

16 Indro, tsy avy amin'ny tenany* ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy![Heb. tsy eo an-tànany]

*

17 Indraindray foana no mba maty ny jiron'ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran'Andriamanitra fandrika ireny* noho ny fahatezerany,[Na: izaran'Andriamanitra fahoriana ho an'ireny]

18 Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin'ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin'ny tafio-drivotra.

19 Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan'ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.

20 Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran'ny Tsitoha.

21 Fa mampaninona azy moa ny amin'ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan'ny androny?

22 Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra* aza? [Heb. avo]

23 Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy;

24 Feno ronono ny fitoeran-drononony*, ary vonton-tsoka ny taolany.[Na: Manotraka ny kibony]

25 Ary ny anankiray maty amin'ny fahorian'ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.

26 Samy mandry ao amin'ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.

*

27 Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;

28 Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon'ny mpitohatoha*? Ary aiza ny lay fitoeran'ny ratsy fanahy? [Na: Manotraka ny kibony]

29 Kanefa tsy mba nanontany tamin'ny mpandeha amin'ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga*, ambaran'Ireo hoe: [Heb. famantarana]

30 Amin'ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin'ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?

31 Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy*? [Na: Azy]

32 Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana* ao am-pasana;[Na: mbola misy miambina]

33 Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan'ny maro tany alohany.

34 Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!

*

Toko 22

1 [Ny teny fanintelony nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:

2 Mahasoa an'Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.

3 Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?

4 Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin'ny fitsarana?

5 Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?

6 Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin'ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon'ny mahantra*.[Heb. mitanjaka]

7 Tsy nanome rano hosotroin'ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an'ny noana.

8 Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo.

9 Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin'ny kamboty.

10 Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka;

11 Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao?

12 Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon'ny kintana, endrey ny hahavony!

13 Nefa hoy ianao: Ataon'Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?

14 Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin'ny lanitra Izy.

15 Moa hizotra amin'ny lalana izay nalehan'ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan'ny olona ratsy fanahy.

16 Izay nesorina alohan'ny androny, ka nindaosin'ny riaka ny fanorenany,

17 Dia ireo izay manao tamin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon'ny Tsitoha atao ho anay*? [Heb. azy]

18 Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy!

19 Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:

20 Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon'ny afo.

*

21 Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao.

22 Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin'ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.

23 Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.

24 Ario eny amin'ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin'ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;

25 Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra* ho anao.[Na tsara, na azo amin'ny fisasarana]

26 Fa amin'izany dia hiravoravo amin'ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra.

27 Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.

28 Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin'ny lalanao ny mazava.

29 Raha misy mietry*, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.[Na: Raha mietry izy]

30 Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan'ny tananao no hamonjena azy.

*

Toko 23

1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:

2 Mbola atao ho fikomianao* ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin'ny fisentoako.[Na: mangidy]

3 Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin'ny fitoerany aza!

4 Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako;

5 Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko.

6 Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy

7 Fa amin'izany dia olona marina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin'ny Mpitsara ahy.

8 Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy;

9 Mianavaratra amin'izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako.

10 Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.

*

11 Ny tongotro nifikitra tamin'ny lalany; Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho.

12 Ny didin'ny molony tsy mba nialako; Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako*.[Na: anjara-haniko]

13 Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin'ny fanahiny dia ataony.

14 Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy;

15 Roa Izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy.

16 Fa Andriamanitra no mandrerakany foko, ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy;

17 Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako*.[Na: Satria tsy nalaina aho, dieny tsy mbola avy ny maizina, Ary tsy nanafina ny maizim-pito amin'ny tavako Izy]

Toko 24

1 Nahoana no tsy misy fotoan'andro voatendrin'ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan'ny mahalala Azy izany androny Izany?

*

2 Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman'ondry sady miandry azy.

3 Mandroaka ny borikin'ny kamboty izy, ary maka ny ombin'ny mpitondratena ho tsatòka.

4 Manosika ny mahantra hiala amin'ny lalana izy, ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin'ny tany.

5 Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra no fivoak'ireny ho amin'ny asany hiremby; Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an'ny zanany.

6 Any an-tsaha izy maka vilona sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy.

7 Mandry mitanjaka amin'ny alina izy, satria tsy manan-damba, ka dia tsy manana firakotra amin'ny hatsiaka;

8 Kotsan'ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin'ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana.

9 Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy ary maka tsatòka amin'ny ory.

10 Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary.

11 Manao diloilo eo anatin'ny tambohon'ny mpampahory azy* izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany.[Heb. tambohon'ireny]

12 Mitrona ny lehilahy ao an-tanana, ary mitaraina ny fanahin'ny voalefona; Nefa tsy ahoan'Andriamanitra akory ny ratsy atao.

13 Ireny no mpikomy amin'ny mazava; Tsy mba mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin'ny alehany.

14 Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra.

15 Ny mason'ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy ka dia manao very maso izy.

16 Misy manamy trano nony maizina; Nefa nony antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy;

17 Fa ny aizim-pito* no marainan'ireo rehetra ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran'ny aizim-pito* izy.[Heb. aloky ny fahafatesana]

18 Mitsinkafona paohin'ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin'ny tany; Tsy mivily ho amin'ny lalana mankeny amin'ny tanim-boaloboka izy.

19 Toy ny andevonan'ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan'ny fiainan-tsi-hita* ny mpanota.[Heb. Sheola]

20 Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an'ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy*,[Heb. faharatsiana]

21 Dia ilay nandroba ny momba izay tsy niteraka ary tsy nanisy soa ny mpitondratena.

22 Kanefa halavain'Andriamanitra amin'ny heriny ny andron'ny olo-mahery; Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza.

23 Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy, sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany.

24 Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao intsony, dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra, ary tangosana tahaka ny salohim-bary.

25 Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.

*

Toko 25

1 [Ny teny fanintelony nataon'i Bilidada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe.

2 Fanapahana sy fampahatahorana no ao aminy, manao fihavanana any amin'ny avo Izy.

3 Azo isaina va ny miaramilany? Ary fahazavan'iza no tsy ihoaran'ny Azy*? [Na: Amin'iza no tsy iposahan'ny fahazavany?]

4 Ary aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy?

5 Indro, ny volana aza tsy mangarangarana, ary ny kintana aza tsy madio eo imasony;

6 Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak'olombelona, izay olitra.

*

Toko 26

1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:

2 Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy!

3 Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka!

4 Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin'izay no nivoaka avy tao aminao?

5 Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin'ny rano sy any ambanin'ny mponina any.

6 Ny fiainan-tsi-hita* miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra.[Heb. Sheola]

7 Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin'ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin'ny tsy misy.

8 Fonosiny amin'ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin'ny rahona tsy mety triatra.

9 Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin'ny amelarany ny rahony hanarona azy.

10 Asiany faritra manodidina eny ambonin'ny rano. Hatramin'izay ihaonan'ny mazava sy ny maizina.

11 Ny andrin'ny lanitra nihozongozona sady ankona amin'ny teny mafy ataony.

12 Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba*; [Izahao ix. 13]

13 Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra.

14 Indro, ireny dia vao ny sisintsisin'ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?

Toko 27

1 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:

2 Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko.

3 Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin'Andriamanitra.

4 Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.

5 Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan'ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.

6 Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin'ny androko iray monja aza.

7 Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.

8 Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,44 raha maito ny ainy, ka* tsoahan'Andriamanitra ny fanahiny? [Na: Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy, na dia mahazo harena be aza. Raha, etc]

9 Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy?

10 Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an'Andriamanitra mandrakariva va izy?

*

11 Hampianatra anareo ny amin'ny tànan'Andriamanitra aho, ary tsy hisorona anareo aho ny amin'ny hevitry ny Tsitoha.

12 Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana?

13 Izao no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lovan'ny lozabe raisiny avy amin'ny Tsitoha:

14 Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an'ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;

15 Ny ankohonany sisa dia hasitrik'Ifahafatesana*, ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany;[Na: halevina noho ny areti-mandringana]

16 Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,

17 Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy;

18 Manao ny tranony tahaka ny an'ny lolofotsy izy, ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon'ny mpiandry voly;

19 Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny.

20 Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin'ny tafio-drivotra izy;

21 Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin'ny fitoerany;

22 Asian*'Andriamanitra izy ka tsy iantrany, ary mandositra dia mandositra ho afaka amin'ny tànany izy;[Heb. Torahan', na Tifirin']

23 Tehafin'ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin'ny fonenany*.[Na: Ary ny miray monina aminy aza misitrisitra azy]

Toko 28

1 Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.

2 Ny vy dia alaina avy amin'ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin'ny vato.

3 Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin'ny faran'ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton'ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;

4 Mihady lavaka mihalavitra amin'izay itoeran'olona izy ka tsy ampoizin'ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.

5 Ny tany no ihavian'ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.

6 Fitoeran'ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy

7 Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan'ny mason'ny voromahery,

8 Sady tsy nodiavin'ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan'ny liona masiaka.

9 Maninjitra ny tànany amin'ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin'ny fotony;

10 Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan'ny masony avokoa.

11 Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin'ny mazava.

*

12 Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?

13 Tsy misy zanak'olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin'ny tanin'ny velona izy.

14 Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.

15 Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;

16 Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.

17 Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.

18 Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.

19 Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara

20 Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?

21 Miafina amin'ny mason'ny velona rehetra izany ary takona amin'ny voro-manidina.

22 Hoy Abadona* sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.[Abadona = Fandringanana]

23 Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;

24 Fa Izy no mitsinjo hatramin'ny faran'ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin'ny lanitra rehetra izao,

25 Ka manendry ny lanjan'ny rivotra ary mamatra ny rano amin'ny famarana.

26 Raha nanao lalana ho an'ny ranonorana Izy sy lalana halehan'ny helatry ny kotrokorana,

27 Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;

28 Dia hoy Izy tamin'ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin'ny ratsy no fahalalana.

Toko 29

1 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:

2 Enga anie ka ho tahaka ny tamin'ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin'ny andro niarovan'Andriamanitra ahy!

3 Fony mbola nazava teo ambonin'ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin'ny maizina;

4 Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin'ny laiko ny fisakaizan'Andriamanitra;

5 Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako*;[Na: ny ankizilahiko]

6 Fony mbola nanasa ny tongotro tamin'ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;

7 Raha niainga niakatra ho eo amin'ny vavahadin'ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo ankalalahana,

8 Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;

9 Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;

10 Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin'ny lanilaniny.

11 Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,

12 Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.

13 Ny fisaoran'izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon'ny mpitondratena nampifaliko*.[Heb. nampihobiko]

14 Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.

15 Efa maso ho an'ny jamba aho ary tongotra ho an'ny mandringa.

16 Efa ray ho an'ny malahelo aho, ary ny adin'ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.

17 Namaky ny nifin'ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany

18 Dia hoy izaho: Eo amin'ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.

19 Ny fakako ho azon'ny rano, ary ny ando hitoetra amin'ny sampako mandritra ny alina.

20 Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.

21 Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin'ny fanolorako saina izy.

22 Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan'ny teniko izy.

23 Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.

24 Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan'ny tavako ireo.

25 Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin'ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.

Toko 30

1 Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak'ireo izay nolaviko tsy ho isan'ny amboa miandry ny ondriko akory aza.

2 Eny, mampaninona ahy ny herin'ny tànan'ireo. Izay efa very fahatanjahana?

3 Manjenjena* noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.[Na: Ana, na Kaozatra, na Tsy manan-janaka]

4 Mitsongo anambodihena eo amin'ny kirihitrala izy, ary ny fakan'ny anjavidy* no fihinany.[Heb. rotema; izahao 1 Mpan. xix. 4]

5 Roahina tsy ho eo amin'ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.

6 Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.

7 Minananana eny amin'ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin'ny amiana.

8 Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin'ny tany.

9 Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.

10 Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy.

11 Fa noketrahin'Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin'iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny.

12 Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko.

13 Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy,

14 Toy ny fiditra eo amin'ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin'ny voarava no imaonany*.[Na: Raha mbola miezinezina, dia mimaona izy]

15 Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy

16 Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenjàn'ny andro fahoriana aho.

17 Ny alina mampahalò* ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.[Heb. manindrona]

18 Noho ny haben'ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany.

19 Eny, nanary ahy teo amin'ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho

*

20 Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana.

21 Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin'ny tananao no andrafianao ahy.

22 Aingainao ho eny amin'ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin'ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho.

23 Fa fantatro fa hampodinao any amin'ny fahafatesana aho, dia any amin'ny trano fivorian'ny olombelona rehetra.

24 Kanefa tsy manainga ny tànany va ny olona, raha ianjeran'ny rava*? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza? [Na: raha mila ho potraka izy]

25 Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?

26 Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.

27 Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.

28 Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro*; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian'ny olona.[Na: Efa mainty aho, fa tsy avy amin'ny hain'andro]

29 Rahalahin'ny amboadia* aho Ary naman'ny ostritsa.[Na: jakala]

30 Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana* ny taolako.[Heb. fahamainana]

31 Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon'ny mitomany ny sodiko.

Toko 31

1 Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy*? [Heb. virijina]

2 Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin'Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin'ny Tsitoha any amin'ny avo?

3 Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?

4 Moa tsy Andriamanitra* va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra? [Heb. Izy]

5 Raha tàhiny nandeha tamin'ny fitaka aho na niezaka tamin'ny fahafetsena.

6 (Enga anie ka holanjain'Andriamanitra eo amin'ny mizanan'ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);

7 Raha tàhiny nivily niala tamin'ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin'ny tanako:

8 Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.

9 Raha tahìny adala tamin'ny vadin'olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran'ny namako aho,

10 Dia aoka kosa ny vadiko halain*'ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.[Na: hitoto ho an']

11 Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain'ny mpitsara;

12 Fa afo mandevona hatrany amin'ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.

13 Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an'ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,

14 Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?

15 Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?

16 Raha tàhiny aho nandà Izay nirin'ny malahelo ka nahapahina ny mason'ny mpitondratena,

17 Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan'ny kamboty

18 (Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);

19 Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy,

20 Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany*, ary tsy nanafàna azy ny volon'ondriko;[Heb. valahany]

21 Raha tahìny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady:

22 Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin'ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin'ny taolam-panaviko.

23 Fa mampahatahotra ahy* ny loza avy amin'Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany.[Na: Fa hanjo ahy ny zava-mahatahotra, dia]

24 Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;

25 Raha tàhiny ho nifaly noho ny haben'ny fananako sy noho ny nahazoan'ny tanako harena betsaka;

26 Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin'ny fangarangarany izy,

27 Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako

28 (Dia heloka hanamelohan'ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin'Andriamanitra Izay any ambony aho);

29 Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy

30 (Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy);

31 Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin'ny henany*? [Na: Iza moa no tsy voky tamin'ny fianakaviany?]

32 Ny vahiny aza tsy nandry teny alatrano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana;

33 Raha tàhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an'i Adama* ka nanafina ny heloko tato an-tratrako,[Na: tahaka ny olona]

34 Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin'ny fokon'olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana

35 Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr'ilay manana ady amiko!

36 Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra.

37 Ny isan'ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon'ny zanak'andriana no hanatonako Azy.

38 Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;

39 Raha tàhiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny.Na nanao izay hahafaty ny ain'ny tompony:

40 Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin'i Joba.

 

*

Toko 32

1 [Ny teny nataon'i Eliho] Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba.

2 Ary nirehitra kosa ny fahatezeran'i Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, avy amin'ny fokon'i Rama; eny, tamin'i Joba no nirehetan'ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy.

3 Ary tamin'ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan'ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an'i Joba*.[Na: teny havaliny an'i Joba hanamelohany azy]

4 Ary Eliho mbola niandry an-dr'i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy.

5 Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany;

6 ka dia niteny Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.

 

7 Hoy izaho: Aoka ny fahanterana no hiteny, ary aoka ny hamaroan'ny taona no hampianatra fahendrena.

8 Kanefa ny fanahy izay ao anatin'ny zanak'olombelona sy* ny fofonoin'ny Tsitoha no mahahendry azy.[Na: Dia]

9 Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny;

10 Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.

11 Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina;

12 Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an'i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory;

13 Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony*: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona.[Heb. fahendrena]

14 Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy.

*

15 Very hevitra terỳ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.

16 Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?

17 Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro;

18 Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko.

19 Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy.

20 Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly.

21 Aoka tsy hizaha tavan'olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona.

22 Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain'ny Mpanao ahy faingana aho.

Toko 33

1 Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.

2 Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako.

3 Ny hitsim-poko no hiseho amin'ny teniko; Ary ny fahalalan'ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.

4 Ny Fanahin'Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain'ny Tsitoha no mamelona ahy.

5 Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara.

6 Indro, izaho koa mba an'Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin'ny tanimanga.

7 Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.

*

8 Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon'ny teninao hoe:

9 Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka;

10 He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;

11 Mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.

*

12 He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon'ny zanak'olombelona.

13 Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin'ny ataony*? [Na: Noho ny tsy amaliany ny tenin'olombelona?]

14 Kanefa misy fanao iray itenenan'Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman'ny olona izany,

15 Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin'ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,

16 Dia manokatra ny sofin'ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,

17 Mba hampiala ny olona amin'ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.

18 Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan'ny fiadiana.

19 Anarina amin'ny fanaintainana eo ampandriany koa izy sy amin'ny fikotrankotran'ny taolany lalandava;

20 Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian'ny fanahiny.

21 Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;

22 Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina.

23 Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin'ny arivo, hanoro izay tokony halehan'ny olona,

24 Ary* hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,[Na: Dia]

25 Dia ho tsara noho ny an'ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin'ny andro nahatanorany izy;

26 Hivavaka amin'Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin'ny hafaliana, fa hampodiny amin'ny zanak'olombelona ny fahamarinany*.[Na: hamaly ny olona araka ny fahamarinany Izy]

27 Dia hihira izy hilaza amin'ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;

28 Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin'ny fahitana ny mazava.

29 Indro, izany rehetra izany no ataon'Andriamanitra indroa amin'ny olona, eny, intelo aza,

30 Mba hamerina ny fanahiny tsy ho* any an-davaka, mba hihazavany amin'ny fahazavan'aina.[Na: hiala]

*

31 Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangina kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny.

32 Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho;

33 Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangina tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.

Toko 34

1 Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:

2 Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.

3 Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava* no manandrana hanina.[Heb. lanilany]

4 Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika.

5 Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin'Andriamanitra tamiko ny rariny;

6 Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho.

7 Aiza moa no misy lehilahy tahaka an'i Joba, izay manaram-po amin'ny famingavingana toy ny fisotro rano.

8 Ary tonga naman'ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin'ny ratsy fanahy?

9 Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin'Andriamanitra.

10 Koa amin'izany mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an'Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!

11 Fa ny nataon'ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy.

12 Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.

13 Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao?

14 Raha tàhiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy,

15 Dia hiala avokoa ny ain'ny nofo rehetra, ary hiverina amin'ny vovoka ny olona.

*

16 Raha manam-pahalalana ianao, dia mandrenesa izao, ka mihainoa ny teniko

17 Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao?

18 (Mety va ny miteny amin'ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao! Ary amin'ny zanak'andriana: Ry ilay ratsy!),

19 Dia Ilay tsy mizaha ny tavan'ny lehibe, ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan'ny tànany avokoa izy rehetra.

20 Maty amin'ny indray mipi-maso monja amin'ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tanana.

21 Fa ny mason'Andriamanitra dia mijery ny alehan'ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy.

22 Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren'ny mpanao ratsy.

23 Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany.

24 Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy.

25 Koa hita amin'izany fa fantany ny asan'ireo, ka dia mamono azy amin'ny alina ho torotoro Izy.

26 Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin'ny ratsy fanahy ireo* eo imason'ny vahoaka.[Na: Mamely azy toy ny famely ny ratsy fanahy Izy]

27 Izao no nialan'ireo tamin'Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory,

28 Dia ny mba hahatonga ny fitarainan'ny malahelo eo anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan'ny ory.

*

29 Mangina* Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin'ny firenena, na amin'ny olona tsirairay,[Na: Manome fiadanana]

30 Mba tsy hanjakan'ny ratsy fanahy, ary tsy ho voafandrika ny vahoaka.

31 Fa moa mba efa nisy niteny tamin'Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena* aho ka tsy hanao ratsy intsony;[Na: nijaly]

32 Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony?

*

33 Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon'ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho*, koa izay fantatrao no ambarao.[Na: Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny olona Fa efa nandà, ka dia ianao no tsy maintsy mifidy, fa tsy izaho]

34 Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe:

35 Miteny tsy amim-pahalalana Joba, ary ny teniny tsy amim-pahendrena.

36 Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon'ny ratsy fanahy!

37 Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin'Andriamanitra.

Toko 35

1 Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:

2 Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an'Andriamanitra?

3 Fa hoy ianao: Mahasoa ahy* manao ahoana moa? Ary inona no soa azoko mihoatra noho ny avy amin'ny fahotako? [Heb. anao]

4 Izaho no hiteny hamaly anao Mbamin'ny namanao.

5 Jereo ary ny lanitra ka izahao; Ary tsinjovy iry habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao.

6 Raha manota ianao, moa mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany?

7 Raha marina ianao, dia hahazoany inona moa izany? Na inona no horaisiny avy amin'ny tananao?

8 Mihatra amin'ny olona tahaka anao ihany ny ratsy ataonao; Ary mihatra amin'ny olombelona ihany ny fahamarinanao.

9 Noho ny habiazan'ny fampahoriana no itarainan'ny olona; Eny, minananana izy noho ny sandrin'ny mahery,

10 Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin'ny alina,

11 Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an'ny biby ambonin'ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an'ny voro-manidina?

12 Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy.

13 Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin'Andriamanitra, ary ny Tsitoha tsy mandinika izany.

14 Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao.

15 Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana?

16 Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana.

Toko 36

1 Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe:

2 Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an'Andriamanitra.

3 Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho.

4 Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin'ny fahalalana no eto aminao.

*

5 Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga, lehibe amin'ny herin'ny fahalalana Izy.

6 Tsy mitsimbina ny ain'ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an'ny ory.

7 Tsy mampiala ny masony amin'ny marina Izy; Eo amin'ny mpanjaka ambonin'ny seza fiandrianany no ampitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra.

8 Ary raha voafatotra amin'ny gadra izy sy voafehy amin'ny tadin'ny fahoriana.

9 Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny.

10 Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin'ny ratsy.

11 Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin'ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin'ny fahafinaretana

12 Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan'ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana.

13 Fa ny mpihatsaravelatsihy* dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza; [Na: ny ratsy fanahy]

14 Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin'ny olom-betaveta*,[Dia ny olona mpanolo-tena ho amin'ny fijangajangana ho fanompoan-tsampy;]

15 Fa ny fahorian'ny ory kosa no entin'Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.

16 Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin'ny fahaterena ho amin'ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin'ny latabatrao.

17 Nefa raha fatra-pikikitra amin'ny adin'ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana*;[Na: Dia hifanaikaiky ny ady sy ny fanamelohana;]

18 Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana, ary aoka tsy hampivily hevitra anao ny halehiben'ny avotra.

19 Moa hahatonga anao ho ao amin'izay tsy misy fahoriana va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny fahatanjahana?

20 Aza irinao ny hihavian'ny alina, izay ampialana ny olona amin'ny fitoerany.

21 Tandremo, aza mivily ho amin'ny ratsy; Fa saingy ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany.

*

22 Indro, Andriamanitra miasa amin'ny heriny mampiseho ny fisandratany; Iza no mba mpampianatra tahaka Azy?

23 Iza no efa nandidy Azy ny amin'izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao?

24 Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon'ny olona an-kira.

25 Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren'ny zanak'olombelona eny lavitra eny izany.

26 Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.

27 Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany,

28 Izay aidin'ny rahona ka alatsany amin'ny olona maro be.

29 Ary koa, iza moa no mahalala ny amin'ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?

30 Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin'ny ranomasina ho firakofany.

31 Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.

32 Mifono fahazavana ny tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony*;[Na: Ary baikoiny ny ady sy ny fanamelohana]

33 Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman'ondry koa aza milaza ny hihaviany.

Toko 37

1 Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin'ny fitoerany.

2 Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin'ny vavany.

3 Mandefa izany ho eny ambanin'ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra* hatramin'ny faran'ny tany.[Heb. fahazavany]

4 Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon'ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.

5 Mahagaga ny fikotrokotrok'Andriamanitra amin'ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.

6 Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin'ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.

7 Mampiohona* ny tanan'ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;[Heb. manisy tombo-kase]

8 Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany.

9 Avy any atsimo* ny tadio, ary entin'ny rivotra avy any avaratra** ny hatsiaka.[*Heb. efi-trano][**Heb. avy amin'ireo mpanahakahaka]

10 Ny fofonain'Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.

11 Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon'ny helatra* dia ampieleziny;[Heb. fahazavany]

12 Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin'ny tany eran'izao tontolo izao*,[Na: Eny ambonin'izao tontolo izao ho amin'ny tany]

13 Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an'ny taniny izany na ho famindram-po kosa*.[Na: alatsany ho famaizana, na hahasoa ny taniny, na ho famindram-po]

*

14 Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon'Andriamanitra.

15 Fantatrao va ny fanamboaran'Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry* ny rahony? [Heb. fahazavany]

16 Fantatrao va ny fihevahevan'ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon'Ilay tanteraka amin'ny fahalalana?

17 Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon'ny rivotra avy any atsimo,

18 Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?

19 Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,

20 Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona* tokoa va?[Heb. miteny ta-hatelina]

21 Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin'ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.

22 Avy any avaratra no ihavian'ny mazava mitarehim-bolamena*; Ao amin'Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.[Heb. ihavian'ny volamena]

23 Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory*.[Na: mamaly]

24 Koa izany no atahoran'ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry* Izy.[Heb. ny hendry am-po; na: Tsy misy mahita Azy ny hendry am-po rehetra]

*

Toko 38

1 [Ny teny navalin'i Jehovah an'i Joba] Ary teo anatin'ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an'i Joba ka nanao hoe:

2 Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin'ny teny tsy misy fahalalana?

3 Misikina ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:

4 Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.

5 Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?

6 Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,

7 Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra?

8 Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,

9 Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,

10 Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana

11 Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?

*

12 Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak'andro,

13 Mba horaisiny ny sisin'ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?

14 Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra* ny tarehiny, [Heb. fitafiana]

15 Ary hosakanana ny fahazavan'ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.

*

16 Moa efa niditra hatrany amin'ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin'ny fanambanin'ny lalina?

17 Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin'ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin'ny aloky ny fahafatesana?

18 Moa efa voadinikao ny hatrany amin'ny fahalalahan'ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.

*

19 Aiza ary no lalana ho any amin'ny fonenan'ny mazava? Ary aiza no fitoeran'ny maizina?

20 Mba hitondranao izany ho amin'ny faran'ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony.

21 Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin'izay, ary maro ny isan'ny andronao!

*

22 Moa efa niditra tany amin'ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,

23 Izay voatahiriko ho amin'ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?

24 Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan'ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin'ny tany?

25 Iza moa no nihady lalan-drano ho an'ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an'ny helatry ny kotrokorana,

26 Handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, dia any amin'ny efitra tsy misy mponina,

27 Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?

28 Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon'ando?

29 Kibon'iza moa no nihavian'ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin'ny lanitra, iza no niteraka azy?

30 Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin'ny lalina.

*

31 Mahavona ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?

32 Mahavoaka ny Mazarota* amin'ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin'ny zanany va ianao? [Anaran-kintana; ny Zôdiaka(?)]

33 Fantatrao va ny lalàn'ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan'ireny ny tany va ianao?

34 Mahasandratra ny feonao ho amin'ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?

35 Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?

36 Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana*? [Na: Iza no nanisy fahalalana ao am-pon'ny olona? Ary iza no nanome fahalalana ho ao an-tsaina?]

37 Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon*'ny lanitra, [Heb. siny hoditra]

38 Hitambaran'ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga?

39 Mahay mihaza toha ho an'ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan'ny liona tanora,

40 Raha mamitsaka ao amin'ny fitoerany izy ary manotrika ao amin'ny kirihitrala?

41 Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin'Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?

Toko 39

1 Fantatrao va ny fotoana fiterahan'ny osi-dia any amin'ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan'ny dieravavy?

2 Mahisa ny andro ahatanterahany* va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany? [Heb. ny volana taperiny]

3 Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany.

*

4 Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.

5 Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran'ny boriki-dia,

6 Izay nomeko ny tani'hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?

7 Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson'ny mpampandeha;

*

8 Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.

9 Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin'ny alina?

10 Mahafatotra ny ombimanga amin'ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?

11 Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?

*

12 Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?

13 Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?

14 Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin'ny tany izy ka mamela azy ho afanain'ny vovoka,

15 Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.

*

16 Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;

17 Fa efa nampanadinoin'Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana.

18 Raha mikopakopak'elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.

19 Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?

20 Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin'ny fiefonefony!

21 Mihehy ao amin'ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady* izy.[Heb. fiadiana]

*

22 Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin'ny sabatra.

23 Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka* sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.[Heb. tranon-jana-tsipìka]

24 Miriotra mafy* amin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara**. [*Heb. Mitelina ny tany][**Na: Tsy mino izy fa feon'ny anjomara izany]

25 Na oviana na oviana no anenoan'ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban'ny manamboninahitra.

26 Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo?

27 Noho ny didinao va no iakaran'ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?

28 Eny amin'ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon'ny harambato sy ao amin'ny fiarovana.

*

29 Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony.

30 Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran'ny faty dia any izy.

*

*

*

Toko 40

1 [Ny naneken'i Joba ny fahadisoan-keviny, sy ny navalin'i Jehovah azy] Ary Jehovah mbola namaly an'i Joba nanao hoe:

2 Hiady amin'ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an'Andriamanitra no hamaly!

3 Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:

4 Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.

5 Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.

6 Dia namaly an'i Joba teo amin'ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe:

7 Misikina tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho:

8 Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?

9 Manan-tsandry tahaka ny an'Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?

*

10 Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra;

11 Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo.

12 Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin'ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.

13 Asitriho ao amin'ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin'ny fiafenana ny tavany.

14 Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana.

15 He! jereo ange ny behemota*, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany**: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.[*hipopotamosy][**Na: ho eo aminao]

16 Indro, eo amin'ny valahany ny heriny, ary eo amin'ny ozatra amin'ny kibony ny tanjany.

17 Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin'ny feny

18 Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany.

19 Voalohany amin'ny asan*'Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.[Heb. lalan']

 

*

20 Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan'ny bibi-dia rehetra;

21 Eo ambanin'ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.

22 Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron'ny ony no manodidina azy

23 Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin'ny vavany aza.

24 Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon'ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?

25 Mahasarika ny mamba* amin'ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin'ny mahazaka?[Heb. leviatana]

26 Mahisy tady zozoro amin'ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin'ny fintana?

27 Hifon-jato amin'arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao?

28 Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy?

29 Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an'ny zazavavy ao aminao va ianao?

30 Hataon'ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin'ny mpandranto?

31 Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin'ny lohany?

32 Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.

Toko 41

1 Indro, foana ny fihendrena azy; Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza?

2 Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; Koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako?

3 Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin'ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa.

4 Tsy mbola hangina Aho ny amin'ny momba ny tenany sy ny heriny ary ny fahatsaran'ny endriny.

5 Iza no mahasonga ny fitafiany anoloany? Na iza no sahy hiditra ao amin'ny nifiny roa sosona?

6 Iza no mahasokatra ny varavaran'ny tavany? Mahatsiravina ny nifiny manodidina!

7 Reharehany ny faharaoraon'ny kirany*, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin'ny tombo-kase ireo;[Heb. ampingany]

8 Mikirindro ireo, ka tsy azon'ny rivotra idirana eo anelanelany.

9 Mifanindry lany ireo sady mifaniditra ka tsy azo sarahina,

10 Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, ary ny masony dia tahaka ny hodimason'ny maraina.

11 Lelafo no mivoaka avy amin'ny vavany; Kilalaon'afo no mipariaka avy aminy.

12 Ny vavorony dia ivoahan'ny setroka, tahaka ny avy amin'ny vilany mangotraka, na amin'ny fahandroana*.[Na: afon-kerana]

13 Ny fofonainy mampirehitra arina, ary misy lelafo mivoaka avy amin'ny vavany.

14 Ny vozony no itoeran'ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana.

15 Mivalombalona ny hotraka amin'ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana.

16 Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary.

17 Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa.

18 Raha misy mamely azy amin'ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin'ny lefom-pohy, na ny firombaka, na ny zana-tsipìka.

19 Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo momoka ny varahina.

20 Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton'antsamotady.

21 Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona.

22 Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin'ny fotaka izy.

23 Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy.

24 Mampahazava ny lalany eo aoriany izy. Ataon'ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina.

25 Tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra.

26 Ny avo rehetra jereny avokoa; Mpanjakan'ny bibi-dia rehetra izy

*

Toko 42

1 [Ny teny farany nataon'i Joba, sy ny nanomezan'Andriamanitra azy fiadanana indray] Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:

2 Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao.

3 Iza no mahatakona ny fisainanao amin'ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko.

4 Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro.

5 Fandrenesan'ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao;

6 Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin'ny vovoka sy ny lavenona aho.

 

*

7 Ary rehefa voalazan'i Jehovah tamin'i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy tamin'i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.

8 Koa ankehitriny makà vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin'i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.

9 Dia nandeha Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah azy; ary Jehovah dia nankasitraka an'i Joba.

 

10 Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.

11 Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay efa nahatran'i Jehovah taminy; ary samy nanome azy vakim-bola* iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra.[Heb. kesita;]

12 Ary Jehovah nitahy ny niafaran'i Joba mihoatra noho ny voalohany ka nanana ondry aman'osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy.

13 Ary nanan-janaka fito lahy sy vavy telo koa izy,

14 ka ny anaran'ny zokiny nataony hoe Jemima, ary ny anaran'ny manarakaraka Kezia, ary ny anaran'ny faravavy Kerena-hapoka.

15 Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin'i Joba hita tany amin'ny tany rehetra, ary niara-nomen-drainy lova tamin'ny anadahiny izy.

16 Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba taorian'izany ka nahita ny zananilahy sy ny zafiny ka hatramin'ny zafin-dohaliny aza.

17 Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana*.[Heb. voky andro]