https anjomara

Andraikitry ny mpiandry

 

Ny fanompoan’ny mpiandry no azo lazaina ho andry iankinan’ny Fifohazam- panahy misy ao amin’ny fiangonana protestanta ankehitriny. Ny mpiandry dia kristiana matotra, lahy sy vavy, izay efa niaina tokoa ny “fifohazana ho amin’ny herin’Andriamanitra”, mino ny asam-pamonjen’Andriamanitra Miray Telo ao amin’i Jesosy Kristy ary mijoro ho vavolombelona ny amin’ny faharesen-dahatra hanaraka an’i Kristy amin’ny fanetrentena amin’ity fanompoana mitaky fanoloran-tena ity. Rehefa mahatsapa tsara ny fiantsoan’ny Tompo azy ho mpiandry ny olona dia mandalo fianarana sy fanofanana mandritra ny roa taona izy; rehefa izany dia atokana izy ho mpiandry ao amin’ny fiangonana. Tsy misy olona atokana ho mpiandry ho an’ny tenany na ho an’ny toby iray fa ho an’ny fiangonana. 

Ny fanompoan’ny mpiandry dia fanompoana ho fampeherezana. Izany dia tanterahina amin’ny alalan’ny:

1- Tenin’Andriamanitra

Ny mpiandry dia miaina sy miasa isan’andro amin’ny Tenin’ Andriamanitra. Ny Teny dia ampiasainy amin’ny:
-Toriteny, fampianarana Soratra Masina, Fampianarana Sekoly Alahady, fampielezana ny Filazantsara (Evanjelisma);
-Fotoam-pivavahana ho fanasitranana;
-Dinika ho fitaizam-panahy sy famahana olana;
-Resaka andavanandro ho famporisihana sy fanitsiana 

 2- Vavaka

Ny mpiandry dia fantatra ho olon’ny vavaka (Efea 6: 18). Manao vavaka:
-Ho fitondrana ny hafa eo amin’ny Tompo (Intercession) izy,
-Ho fanasitranana ny marary sy ho famoahana demonia
-Ho fampaherezana ny tsirairay sy ny fiangonana manontolo.

Mino ny herin’ny vavaka ny Kristiana Malagasy. Inoany fa afaka hitondra fanovana eo amin’ny fifandraisana, sy toe-javatra ary ny fiainana manontolo aza ny vavaka. Angatahiny mba ho “entina ambavaka” ny tenany na ny namany na anton-javatra sy tranga hafa.. Ny mpiandry dia manaiky izany fitondrana am-bavaka izany, ary tena manatanteraka izany fa tsy manome toky poak’aty. Ny vavaka no ahafahana miroso mavitrika amin’ny misionan’Andriamanitra. Isan’ny isehoan’ny maha-mpisorona ny mino rehetra ny fitondrana ny namana am-bavaka. 

3- DIAKONIA

Ny fiaraha-mitondra ny fangirifirian’ny hafa, fiaraha-ory sy marary aminy (Compassion), dia mariky ny fanompoan’ny mpiandry. Izay lazain’ny apostoly Paioly ao amin’ny II Kor 4: 11 – 12, dia momba ny fiainan’ny mpiandry isan’andro: “Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin'ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin'i Jesosy, mba haseho ao amin'ny nofonay mety maty koa ny fiainan'i Jesosy. Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo”. 

Ny asa fanompoana (diakonia) ataon’ny mpiandry dia miseho eo amin’ny tanàna misy azy (tanàn-dehibe na tanana kely) sy any amin’ny Toby. Samihafa ny endrika isehoan’izany eo an-tanàna misy azy:
-Fandraisana ao antranony ny vahiny sendra mandalo, tanora maditra mila iasana isan’andro, vady mandositra ny herisetra manjo azy, zazavavy mitondra fampijaliana any amin’ny ankohonany ka mila fialofana.
-Fiahiana ny kamboty, ny zaza narian’ny reniny, ny olona voan’ny demonia, ny marary saina, sy ny toy izany.  -Fanampiana ny sahirana ara-pivelomana na fitadiavana asa ho an’ny tsianasa.

Misy koa asa iarahany manao amin’ny namana maromaro toy ny mamangy ny marary any amin’ny hopitaly sy ny voafonja. 

Ny mpiandry mipetraka any amin’ny toby (mpitaiza marary) dia ametrahana marary 3 na 4, indraindray mihoatra; izay beaziny ho toy ny sy miaraka amin’ny ankohonany. Andraikitry ny mpiandry “mpitaiza marary” ny miahy ny marary eo aminy amin’izay hanasoavana azy ara-batana, ara-tsaina, ara-tsosialy, ara-panahy; mba hahazo fanasitranana amin’ny lafiny rehetra ny marary ka ho afaka hiverina any amin’ny fiaraha-monina sy fiainana nisy azy teo aloha. Noho izany, ny mpiandry izay tsy afaka honina any amin’ny Toby dia mahatsiaro ny asan’ireo namany izay monina an-toby ka manohana ny asany amin’ny fanampiana samihafa, indrindra ny fitondrana am-bavaka azy ireo isan’andro.  

 

                                                                           

Paramétrages de cookies

×

Cookies fonctionnels

Ce site utilise des cookies pour assurer son bon fonctionnement et ne peuvent pas être désactivés de nos systèmes. Nous ne les utilisons pas à des fins publicitaires. Si ces cookies sont bloqués, certaines parties du site ne pourront pas fonctionner.

Mesure d'audience

Ce site utilise des cookies de mesure et d’analyse d’audience, tels que Google Analytics et Google Ads, afin d’évaluer et d’améliorer notre site internet.

Contenus interactifs

Ce site utilise des composants tiers, tels que NotAllowedScript64254c99068b5ReCAPTCHA, Google NotAllowedScript64254c990658aMaps, MailChimp ou Calameo, qui peuvent déposer des cookies sur votre machine. Si vous décider de bloquer un composant, le contenu ne s’affichera pas

Réseaux sociaux/Vidéos

Des plug-ins de réseaux sociaux et de vidéos, qui exploitent des cookies, sont présents sur ce site web. Ils permettent d’améliorer la convivialité et la promotion du site grâce à différentes interactions sociales.

Autres cookies

Ce site web utilise un certain nombre de cookies pour gérer, par exemple, les sessions utilisateurs.