https anjomara

 

 

Voalaza matetika eo anivon'ny fifohazana ny hoe fametrahan-tanana ho fanasitranana.Sitrana amin'ny aretiny avokoa ve izay rehetra marary ka ametrahan'ny mpiandry tanana araka izany?

Tsy ho fanasitranana ara-nofo ihany ny fametrahan-tanana, fa ho fampaherezana ihany koa, fampaherezana ny finoan'izay olona avy nandre ny Tenin'Andriamanitra (satria ny finoana dia avy amin'ny toriteny: Rom.10:17).Ny finoana ny fitiavan'Andriamanitra ao amin'i Jesosy no andraisana ny fanasitranana (Isaia 53:4 -7 ; Mat.08:14-17).Mitoriteny aloha ny mpiandry vao mametra-tanana amin'izay olona vonon-kandray ny hafatry ny Tompo nambara tamin'ny toriteny. Ny marary sasany aza dia "iasana " aloha , roahina amim-pahefana hiala aminy ny rofy sy ny aretina ary ny hery rehetra ananan'ny fahavalo (Lio.10), aorian'izany vao ametrahan-tanana izy. Vakio koa : Mar.06: 1-6..

Nahoana no mpiandry ihany no afaka mametra-tanana kanefa voalazan'ny Soratra Masina fa izay rehetra mino dia afaka manao izany avokoa araka izay voasoratra hoe:"izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hametra-tanana amin'ny marary izy dia ho sitrana ireny" ?

Afaka mitoriteny, mijoro ho vavolombelona, mivavaka ho an'ny marary ny mino rehetra; afaka mamoaka demonia koa izy . Ny Fiangonana ara-tantara (églises historiques) izay manaraka ny Teolojian'ny Fanekem-Pihavanana ataon'Andriamanitra amin'ny olom_boafidiny (théologie de l'Alliance) dia mametraka ny fametrahan-tanana ao amin'ny asa fanompoana voatokana ho an'ny   mpisorana. Olom-boafidy sy voatokana (consacrés) ny mpisorona izay manao ny asa fisoronana ao amin'ny Fiangonana (Test.Taloha : Eks. 28 sy 29; Nom.18) Ety amin'ny Test. Vaovao, ny olona voatokana (vita consécration) no manao ny asa fisoronana ao amin'ny Fiangonana : ny Apostoly izay natokan' i Jesosy mivantana (Jao.20: 21-23; marihina fa i Paoly izay tonga Apostoly taorian'ny nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty , dia natokan'ny Fiangonana ihany vao nanao ny asa maha-Apostoly azy (Asa 13: 1-3) na dia tamin'ny fomba mahagaga aza no niantsoan'i Jesosy azy (Asa .09: 1-30; 26 : 12 - 20 ). Ny Apostoly no nanokana ny Diakona (Asa 060:1-7) sy ny Loholona ( 1Tim.06: 11,12;2Tim.01:06; Titosy 01: 05 - 09). Ny Mpitandrina (Pasteurs) sy ny Mpiandry (Bergers) dia samy Loholona avokoa ary voatokana(consacrés) hanao ny asa fisoronana ao min'ny Fiangonana (Jak.05: 14 - 20)..

Misy fomba maro samihafa hita eo anivon'ny fiangonana fanao amin'ny fandroahana demonia. Ao ny fandroahana iarahan'ny mpiandry manao , ao ny anankiray ihany no mandroaka, ao ny mampandro. Iza amin'ireo no tena mifanaraka amin'ny Soratra Masina?

Ny hita mivantana ao amin'ny Soratra Masina momba ny fomba famoahana demonia dia :

-Ny Teny ihany no amoahana demonia (Mat.08:16) ary amin'ny fandidiana hentitra tsy misy tambitamby (Mat.17:18; Mar.09:25;.....).Hita teo amin'i Jesosy sy ny Apostoly izany(Asa16:18).

-Ny asan'ny mpiandry dia tsy asan'olon-drery nahazo fanomezam-pahasoavana manokana, fa asa iarahan'ny mino manao (ministère de groupe) : olona roa na telo fara fahavitsiny (Mat.18:20, Jak.5:14-20; ...) Satria tsy olona iray manam-pahasoavana manokana no miasa, dia ny herin'ny Fanahy Masina ao amin'ny mpiandry mitambatra miara-mandroaka no mahery indrindra (tahaka ny fivavaky.ny marina maromaro :Jak.05:16b). Manamrina izany ny mahatsara ny fisian'ny mpiandry maromaro miara-miasa rehefa misy demoniaka masiaka mihetsika.

Ny hoe : manosotra diloilo (Mar.06:13; Jak.05:14) dia hita ao amin'ny Soratra Masina koa, kanefa tandindon'ny Fanahy Masina ny diloilo, ka marika ivelany manambara fa ny Fanahin'ny Tompo no manasitrana (Lio.06:19; Mat.12:28) Amintsika mpanota , indrindra fa isika Malagasy, dia malaky mivily ho amin'ny zavatra tsapain-tanana ny finoantsika  fa tsy amin'ny hevitra ambarany, ka tsy dia mampiasa an'io fanosorana diloilo io loatra ny Fifohazam-Panahy nomen'ny Tompo ny Malagasy.

Tahaka izany koa ny mampandro: ny rano manadio ny ety ivelany , fa ny ran'i Kristy kosa manadio ny fanahy mino sy mibebaka; koa tandindon'ny famelan-keloka omen'ny Tompo ny mpanota mibebaka ny fampandroana, fa tsy iny rano iny no manasitrana. Tokony hazava tsara ny fampianaran'izay olona mampiasa izany fomba izany mba tsy ho foana ny Hazofijalian'i Kristy.

Re ao amin'ny vavaka fametrahan-tanana ataon'ny mpiandry ny teny hoe: "raiso ny Fanahy Masina". Midika ve izany fa manana ny fahefana hanome ny fanahy masina ny mpiandry? Ary izay olona hametrahan-tanana ilàzan'ny mpiandry izany teny izany ve olona tsy mbola nandray ny Fanahy Masina mihintsy?

Manainga ny olona ametrahany tanana mba handray ny fanomezan'Andriamanitra ny mpiandry : fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy Masina (Asa 02:38b) fa tsy fanomezana avy amin'ny mpametra-tanana tsy akory. Manainga ny olona izay ampaherezina hino sy hiaina ny hery entin'ny Fanahy Masina ho azy ny mpametra-tanana, ka tsy tokony hampisalasala ny "handray mandrakariva ny Fanahy Masina" hanao ny asany ao amintsika.

Hita eo anivon'ny fiangonana fa misy ireo marary itoeran'ny fanahy ratsy no iasan'ny mpiandry mandritra ny fotoana maro toa tsy ahitana vokatra. Inona no anton'izany? Tsaroana ny tantara ao amin'ny Soratra Masina izay nametrahan'ny mpianatry ny Tompo tamin'i Jesosy ny fanontaniana manao hoe " nahoana no tsy nahafaka iny fanahy iny izahay?"

Ilana finoana ny famoahana demonia : ny finoan'ny mpiandry  (Mat.17: 19,20), ny finoan'ny mpitondra an'ilay marary,dia ny fianakaviany... ( Mar.02: 03-05 ; Lio.07 :06-10 ;Mat.15 : 21-28), ny finoan'ilay marary (Lio.08 : 48).Misy koa karazana demonia mila fomba famoahana manokana (Mat.17 : 21 jereo ny naoty kely eny ambany; Mar;09 :29 ) Izany no antony ilantsika vavaka sy fanoloran-tena ary fitoriana hatrany ny Tenin'Andriamanitra mba hitomboan'ny FINOANTSIKA sy ny an'ny olona izay manatona ny Tompo mba handray fahasoavana.

Inona no ahafahan'ny mpiandry milaza mazava sy ahazoany antoka fa ity aretina iray ity dia asan'ny devoly no mahatonga azy ary ity iray ity kosa dia aretina "natoraly" amin'ny maha-olombelona fotsiny izao?

Tsy voatery ho hita miharihary ny fanahy maloto mitoetra ao amin'ny olona ka miteraka aretina aminy; izany no ilana dinidinika lalina amin'ny marary mba hahazoana mamantatra  tsara ny aretina; ny Fanahy Masina sy ny Tenin'Andriamanitra no mitari-dalana amin'izany.Ny lalana idiran'ny fanahy maloto matetika dia ny fanompoan-tsampy, ny fangataham-pitahiana amin'ny razana, ny fanaovana "arts martiaux", ny yoga, ny fivavahana tsy kristiana....Tsy voatery ho fantatra mazava tsara ny hoe: aretina avy amin'ny fanahy maloto na aretina tsotra "natoraly" mpahazo ny Zanakolombelona; nomen'ny Tompo fahefana handidy sy handroaka ny rofy sy ny fangirifiriana rehetra mbamin'ny fanahy maloto rehetra amin'ny ANARANY ny mino; ka tsy tokony handaniana ron-doha be loatra ny fiezahana hanavaka ireo loharanon'aretina ireo fa samy sitranin'i Jesosy avokoa izy rehetra (Mat.04:23-24; Mar.01 : 29-34 ). 

Azon'ny vaohakan'Andriamanitra izay manatrika Asa sy Fampaherezana ao amin'ny fiangonana atao ve ny mifidy izay mpiandry hametra-tanana aminy satria fantany fa io mpiandry hatoniny io dia mahatoky kokoa amin'ny fitondran-tena sy manana fahamatorana ara-pinoana kokoa noho iry mpiandry iray iry?

Tsy azo ametrahana fitsipika izany,fa miankina amin'ny atifanahy "conscience intime" manokana  mitarika ny tsirairay hanatona  handray ny fampaherezana izany. Saingy tsara ho fantatra kosa fa ny Fanahin'Andriamanitra no miasa amin'io fotoana io ka mampiasa ireo mpiandry mpanompony; voasarona ao anatin'ny fanatrehan'ny Tompo ny fahalemen'ilay mpanompo, ka tsy tokony hojerena intsony izany, fa ny vavaka sy ny teny lazainy no raisina amim-pinoana.Koa ampirisihina ny olona tsy hifidy mpiandry, fa i Jesosy Tompon'ny asa no ao amin'izy rehetra. 

Misy hifandraisany ve ny fametrahan-tanana ity ao amin'ny Testamanta Taloha izay ataon'ny mpisorona amin'ny biby (bouc) sy ny fametrahan-tanana ataon'ny fiangonana ankehitriny?

Efa voavaly tao amin'ny fanontaniana faha-2  izany. Saingy ety amin'ny Test. Vaovao dia tsy mamindra ota na mamindra fahasoavana ny mpametra-tanana, fa mampiseho kosa  an'i Jesosy "Zanakondrin'Andriamanitra Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao" ka tonga loharanom-pamonjena sy fitahiana ho an'izay mino Azy. 

Mety mifindra amin'ny olona izay manatrika ny asa fandroahana demonia ve ny fanahy ratsy izay roahina ka miala amin'ilay marary iasana eo?

Izay manompo ny devoly ihany (na amin'ny fahalalna na tsy amin'ny fahalalana ny atao) no azony idirana sy itoerana; mety idirany koa ny taranak'ireo olona izay manao izany. 

Azon'ny mpiandry atao ve ny mandroaka demonia amin'ny toerana natao ho an'ny be sy ny maro (public) tahaka ny hoe birao -mpanjaka sns ..  tahaka izay nataon'ireo mpiandry tamin'ireo fihetseham-bahoaka nitranga tany Madagsikara (2002, 2009)

Sady ataon'ny mino no atao ho an'ny mino ny fandroahana demonia. Raha lasa kristiana ny Fitondram-Panjakana ka kristiana avokoa ny mpiasam-Panjakana, dia heveriko fa tsara raha diovina ny toeram-piasana rehetra ary angatahina amim-bavaka mba ho  ny fiandrianan'i Jesosy Irery no hanapaka ao.Ny mpiandry dia tsy fitaovan'ny mpanao politika mpanompo sampy, fa mpiara-miasa amin'i Kritsy kosa hampijoro ny Fanjakan'Andriamanitra .. 

Nahoana ny mpiandry no miakanjo fotsy sy misaron-doha, misy fanazavana ara-tSoratra Masina ve izany?

Ety amin'ny Testamenta Vaovao ny loko, fotsy dia manambara fahadiovana, ka manondro  ny fahamasinana. Ny akanjo masina dia akanjo fotsy lava sy malalaka (fa tsy teritery manara-batana) izay manarona ny tenan'izay mitondra azy ( vakio Apok 03 : 5 , 18 ; 04 : 4 ; 06 : 11 ;.07 : 9, 13,14 ; 22 : 14.).

Ny vehivavy no misaron-doha , fa tsy ny lehilahy, rehefa manao ny asa mahampiandry azy, araka ny 1Kor.11 : 03 - 07..

FAQ END

Paramétrages de cookies

×

Cookies fonctionnels

Ce site utilise des cookies pour assurer son bon fonctionnement et ne peuvent pas être désactivés de nos systèmes. Nous ne les utilisons pas à des fins publicitaires. Si ces cookies sont bloqués, certaines parties du site ne pourront pas fonctionner.

Mesure d'audience

Ce site utilise des cookies de mesure et d’analyse d’audience, tels que Google Analytics et Google Ads, afin d’évaluer et d’améliorer notre site internet.

Contenus interactifs

Ce site utilise des composants tiers, tels que NotAllowedScript64253f3f34dadReCAPTCHA, Google NotAllowedScript64253f3f34a52Maps, MailChimp ou Calameo, qui peuvent déposer des cookies sur votre machine. Si vous décider de bloquer un composant, le contenu ne s’affichera pas

Réseaux sociaux/Vidéos

Des plug-ins de réseaux sociaux et de vidéos, qui exploitent des cookies, sont présents sur ce site web. Ils permettent d’améliorer la convivialité et la promotion du site grâce à différentes interactions sociales.

Autres cookies

Ce site web utilise un certain nombre de cookies pour gérer, par exemple, les sessions utilisateurs.