Ny fifohazam-panahy

Mifohaza Ianao Izay Matory

Ny fifohazam-panahy eo amin’ny Fiangonana protestanta eto Madagasikara

Paul RAMINO

Ny fahafantarana ny fifohazam-panahy eo amin’ny Fiangonana protestanta eto Madagasikara dia manampy

ny mpandalina ny tantaran’ny kristianisma eto Madagasikara sy ny asany eo anivon’ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny. Banga lehibe eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana eto Madagasikara ny tsy fahitana ny tantaran’ny fifohazam-panahy satria ny asa nataon’ireo misionera vahiny ihany, anglisy na norveziana na amerikana na frantsay, no tantarain’ny mpanoratra sy ny mpikaroka , hany ka very sasaka ny fahalalana ny asan’Andriamanitra teto amin’ny Nosy. Ny fifohazam- panahy dia asan’Andriamanitra niantsoany ireo raiamandreny malagasy teo amin’ny faramparan’ny taonjato faha XIX. Nifoha tamin’ny torimasom-panahiny ireo loharano niteraka ny ony ka nitatra sy niroborobo ny asan’ny Fanahy Masina. “ Fifohazana”, no anarana iantsoana ireo olona nandray ny fifohazam-panahy noho ny asan’ny Fanahy Masina. Ny Fifohazana dia ilazana indrindra ireo olona miombona noho ny namohazan’ny Tompo azy avy amin’ny maizina ho amin’ny mazava mahagaga ka manao ny asan’Ilay Mazava dia Kristy araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe : “Mifohaza ianao izay matory , ary mitsangana amin’ny maty, dia hampahazava anao Kristy.” (Efes 5,14) .Azo ambara hoe tahatahaka ny tantaran’ny Fiangonana voalohany hitantsika ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly no nisehoan’ny asan’ny Fanahy Masina vokatry ny Fifoh a z a m - panahy   teto   Madagasikara   :   nisy   ny famohazan’Andriamanitra ireo mpanompony tao anatin’ny torimasom-panahy, ny fitorian-teny sy ny asa mahagaga nanamarinan’Andriamanitra ny teny izay nampitondrainy ireo “mpifoha” ka nahatonga olona maro hanaiky ny asan’Andriamanitra. Sesehena ireo niova fo ka nandray ny famonjena.

Izay hazavaina amin’ity lahatsoratra ity dia tsy izay rehetra tokony ho fantatra momba ny fifohazam-panahy eo amin’ny Fiangonana protestanta eto Madagasikara akory noho ny toerana voafetra fa izay azo antsoina hoe ny fara-fahakeliny tsy azo hadinoina ny amin’izany fifohazam-panahy izany ihany.

1. Ny zava-kendrena sy ny asan’ny Fifohazana

Ny zava-kendren’ny Fifohazana sy ny asany no ahafantarana ny maha kristiana isan’ny Fiangonana azy, nefa koa ahalalana ny mampiavaka azy amin’ireo sampana na sampanasa misy eo amin’ny Fiangonana. Izao no famaritana hita ao amin’ny fitsipika fototra navoakan’ny firaisan’ny fifohazana loterana ny amin’ny   zava- kendreny : “Fitoriana ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra (Mar 16,15-20), mba hahatonga azy hahalala sy hino an’I Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy, ka handraisany ny famononjena”1 . Ny fitoriana ny Filazantsara no voly varin’ny Fiangonana sy ny Kristiana. Io no manambara ny antom-pisiany. Tsy misy Filazantsara roa fa iray ihany dia ny Filazantsaran’I Jesoa Kristy . Mariho tsara fa tsy ny hitaona ny olona ho ao amin’ny Fiangonana izao na izatsy no anton’ny itoriana ny Filazantsara fa ny hahalala sy hino an’I Jesoa Kristy, Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka. Ny olombelona rehetra tsy misy avakavaka no itoriana Filazantsara. Tsy misy fanavakavahana ao amin’ny Fiangonana, ary izany koa no fanahin’ny Fifohazana.

Eto dia hotanisaintsika sady hazavaina fohy ireo asa entin’ny Fifohazana manatratra ny zava-kendreny. Ireo asa ireo mantsy no mampiavaka azy sy maneho ny maha Fifohazana ny Fifohazana. Azo zaraina ho enina loha mihasinkasina tsara ny asa tanterahan’ny Fifohazana an-davan’andro araka ireto manaraka ireto :                        

1. Toriteny sy vavaka . Zavatra roa loha tsy misaraka ireo amin’ny

Fifohazana. Ny toriteny dia ialohavan’ny vavaka sady faranana amin’ny vavaka. Ny toriteny dia fitaomana ho amin’ny finoana, ary aorina amin’ny Tenin’Andriamanitra ( Rom 10,17 ).

Ny toritenin’ny Fifohazana dia tsotra, mivantana ary mitaona ny olona hibebaka sy hiorina ao amin’I Jesoa Kristy. Zavatra telo loha no mandrafitra mandrakariva ny toritenin’ny Fifohazana. Ny filazana ny fahotan’ny olombelona, mba hahatonga ny olona haharikoriko ny fahotana ka hialany amin’izany. Manaraka izany dia ny fanambarana mazava ny fitiavan’Andriamanitra tao amin’I Jesoa Kristy Ilay nanolotra ny aina ho avotra ho an’ny mpanota. Ary ny fahatelo dia ny fiantsoana ny olona handray ny famonjena ao amin’I Jesoa Kristy.

2. Ny Tafika Masina . Ny fahavalo tsy maintsy resen’ny Fifohazana dia ny devoly sy ny asa ratsiny rehetra. Ny teny hoe tafika masina, dia teny entina milaza fa misy ady atao, saingy ady masina satria fanatanterahana ny fanafahana ny olona eo ambany vahohan’I satana. Toerana iray na tànana mihitsy no tafihana. Misy koa ny fitetezana tokantrano.

3. Asa sy fampaherezana. Ny atao hoe Mpiandry ireo olona Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ka nandray ny antson’ny Tompo hampahery ny vahoakan’Andriamanitra ary niomana ho amin’izany .Ny teny hoe “Asa sy fampaherezana” dia ahitana ireto dingana ireto : vavaka, toriteny fohy, famakiana ireo teny avy amin’ny Soratra Masina atao hoe teny fanomezam-pahefana ( 2 ). Fandroahana mivantana ny demonia sy ny forongony rehetra (3). Fiantsoana ny olona izay mangetaheta fampaherezana mba hanatona an’Andriamanitra. Mandohalika eo anoloan’ny Mpiandry ny olona amin’izany ary ametrahan-tànana (4). Ao anatin’ny asa ny asa fanasitranana amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fametrahan-tànana araka ny teny hita ao amin’ny Soratra Masina ( Jak 5, 14-15).

4. Dinika fitaizam-panahy. Ity kosa dia ny dinika atao amin’ny olona mangataka ny Mpiandry . Miainga hatrany amin’ny Soratra Masina   izany,   ka   itenenana   mivantana   amin’ny   olona   mba handehanany amin’ny làlana   marina sitrak’Andriamanitra. Fampihavanana ny olona amin’Andriamanitra sy ny olona no atao amin’izany mba hahatonga ny olona ho resy lahatry ny tenin’Andriamanitra ka hanao ny sitrapony.

5. Fampianarana ny Mpiomana. Ny atao hoe Mpiomana dia ireo olona manolo-tena ka miomana ho Mpiandry. Mety haharitra herin- taona na roa taona ny fiomanana ho amin’izany.

6. Ny asa fiantrana sy fanaovan-tsoa ary fijoroana ho vavalombelona samihafa izay ataon’ny Fifohazana any amin’ny toerana maro toy ny fonja, hopitaly, fitaizana zaza kamboty.

2. Ny fototra ara-tsoratra Masina sy ny fampianarana.

Manana fototra mazava ijoroana ny fifohazana sady manana fampianarana tànana sy ampitaina. Ny Soratra Masina rehetra araka izay ahitantsika azy ao amin’ny Baiboly, dia ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao no raisin’ny Fifohazana ho fitsipiky ny fiainany sy fototry ny fampianarany. Na izany aza anefa, izay asehontsika eto dia izay mampiavaka ny Fifohazana amin’ny Soratra Masina ka tànany mafy sy ny fampianarana vokatr’izany.

– Asan’ny Fanahy Masina ny Fifohazana ary ny Fanahy Masina no mitarika sy manome hery ny Fifohazana amin’ny fanaovana ny asa niantsoan’ny Tompo azy. Ny Joela 3,1-5   izay milaza ny handatsahan’Andriamanitra ny Fanahy Masina “amin’ny nofo rehetra “ . Ny “ fiantsoana ny anaran’I Jehovah” ho famonjena no antony hitoriana ny Filazantsara amin’ny olona rehetra. Amin’ny alalan’ny Fifohazana no anomezan’Andriamanitra ny Fiangonany ny fanomezam-pahasoavany. “Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Tompo dia iray ihany” (1 Kor. 12) . Tsapan’ny Fifohazana lalina fa nomena fanomezam- pahasoavana manokana izy, ary io no entiny eo anivon’ny Fiangonana mba hampiasan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fiangonana ka hijoroany eo anivon’izao tontolo izao. Ao amin’ny Fiangonana ny Fifohazana, isan’ny tena dia ny Fiangonana izy. Ao izy no“mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny Tompo” (Efes 2,19-22).

– Atao amin’ny “ Anaran’I Jesoa” ny zavatra rehetra ho an’ny Fifohazana. Raha manaraka ny asan’ny Mpiandry ianao, raha mijery ny fiainana ao amin’ny Toby ianao, dia ho resy lahatra fa eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina tokoa no anaovan’ny Fifohazana ny zavatra rehetra. Ny taratasy izay ifanaovany dia ialoavan’ny teny ho “Amin’ny anaran’I Jesoa” , araka ny Kol 3,17. Io fianteherana sy fanaovana ny zavatra rehetra amin’ny anaran’I Jesoa io no anorenan’ny Fifohazana ny “Asa sy fampaherezana” , ary ny “asa fanasitranana” . Araka ny efa voalazantsika tetsy aloha2. Mino ny Mpiandry eo am-panaovana ny asany fa ny asan’ny Tompo tokoa no ataony fa tsy asa hafa akory. Mino koa izy fa“izay angatahany amin’ny anaran’i Jesoa dia hataony izany mba hankalazana ny Ray”.Mino ny famantarana hanaraka izay mino ny Fifohazana ka tsy miahanahana amin’ny fanatanterahana ny asany araka ny voasoratra hoe : “ Hamoaka demonia amin’ny anarako izy, hiteny amin’ny fiteny izy tsy mbola hainy izy, handray menarana izy, ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany, hametra- tànana amin’ny marary izy , dia ho sitrana ireny.” ( Mar 16, 17-18). Finoana latsa-paka tsara ao amin’ny Mpiandry eo am-panaovana ny asany ny hoe miaraka amin’I Jesoa izy, Jesoa no miasa fa ny Mpiandry dia fitaovana eo am-pelan-tànany ihany, eo afovoany Jesoa amin’ny asa rehetra ataony ( Mat. 18,20). Ny fanolorana ny Fanahy Masina sy ny famelan-keloka vokatry ny fibebehan’ny olona eo am- pandrenesana ny tenin’I Kristy no ambaran’ny Mpiandry izany amin’ny olona izay mihaino sy manatrika ny asa sy ny fampaherezana ataony. Mifamatotra amin’ny fibebehana sy ny famelan-keloa (Jao 20,23); ary ny finoana ny fanasitranana omen’Andriamanitra ny olona. Tsy ny fanasitranana no tanjona ho an’ny Mpiandry fa ny famonjena. Ny fanasitranana dia endrika iray ihany isehoan’izany famonjena izany.

Ireo raiamandreny nofohazin’Andriamanitra ka azo antsoina hoe loharano niteraka ny fifohazam-panahy teto Madagasikara dia nametraka ny “ “fampianarana” araka izay nentiny avy.

Izao no hita ao amin’ny fitsipika anatin’ny firaisan’ny fifohazana Loterana (Fifil) : “ Ny fampianarana avy amin’ireo Raiamandreny nipoiran’ny Tobilehibe efatra ireo no anisan’ny fitaovana ampiasain’ny Fifil nasionaly amin’ny fampianarana sy ny fampiofanana ataony any amin’ny toerana rehetra.” Ny fampianarana eo amin’ny fifohazana dia lava dia lava sady miditra amin’ny antsipirihin-javatra matetika, hatramin’ny fomba fiakanjo ka hatramin’ny fihetsika atao. Andeha haka ohatra iray avy amin’ny fampianarana nataon’I Rainisoalambo tao Soatanana isika. Izao no voalazan’I Theodor Olsein, misionera tamin’ny Oktobra 1895 . “ Misy fihetsiketsehana miseho atsy ambadika andrefan’ny stasiona atsy, ary fihetsiketsehana mahafaly mihitsy. (…) dia mianatra sy mifampianatra eo izy, na vakiteny na fotopianarana .”

Rainisoalambo ohatra, dia nampianatra ireo voataona hiara-miasa taminy akaiky ka zavatra enina loha no tena namafisiny araka ireto :

-Ny Fibebehana. Noraisiny araka ny Mat 4,17. Satria akaiky ny fanjakan’Andriamanitra, dia nasainy nariana avokoa ny ody, ny sikidy, ny resadresa-poana, ny lainga. Olona mibebaka no nantsoina hiroso amin’ny batisa.

-Ny fanetrentena. Araka ny Mat 18,4. Tsy an-tsaina fotsiny fa miseho amin’ny fomba sy ny toetra dia ny fijery, ny fiteny, ny fomba fandeha ary ny fitafy.

-Ny faharetana, araka ny teny ao amin’ny Lio 21, 19 .

-Ny vavaka izay tsy maintsy atao mandrakariva ary hanamasinana izay rehetra atao.

-Ny “ Didy vaovao” . Araka ny tena ao amin’ny Jao. 13,34-35. Ity nofoto try ny     fampianarana     nataon’I Rainisoalambo.Fifankatiavana eo amin’ny Mpivady, ny zanaka sy ny Ray aman-dreny ,eo amin’ny kristiana ,indrindra ny Mpianatry ny Tompo.

•   Ny firaisana masina. Tokony hikambana sy hanana firaisan-kina amin’ny zavatra rehetra.Amin’ny asa atao, ny fisakafoana, ny varotra, ny zavatra amidy. Rehefa vitan’i Rainisoalambo ny fampianarana ireo mpiara miasa taminy akaiky izay nataony hoe « Apostoly « dia izao no teniny :

" Andriamanitra anie no nifidy anareo hanao izao asa izao fa tsy izaho velively ; ary izay nampianariko anareo dia zavatra avy amin’Andriamanitra sy ny Fanahy Masina, ary mbola hanohy sy hitari-dàlana anareo ny Fanahy Masina. Ary ny olona dia hahazo famelan-keloka sy ny Fanahy Masina toy ny taloha ihany koa amin’ny fametrahan-tànana."

3. Ireo loharano niteraka ny ony.

Mifidy izay tiany hofidina Andriamanitra, ary miantso izay tiany hantsoina araka ny tenin’I Jesoa Kristy hoe : “ Tsy ianareo no nifidy Ahy fa izaho no nifidy anareo.” (Jao 15,16) . Koa ny filazana ireo olona efatra loharano niteraka ireo Toby lehibe efatra no irosoanatsika amin’ity toko fahatelo ity, ary asesintsika araka ny fahazokiany eo amin’ny taona namohazan’Andriamanitra azy ireo .

Misy trangan-javatra teo amin’ny tantaran’ny protestantisma, izay tsy azo hadinoina alohan’ny hilazantsika ireto azo antsoina hoe “ loharano niteraka ny ony” ireto dia ny tantaran’ny Martriora malagasy, izay asan’Andriamanitra niantsoina ireo Martiora voaloam- bokatry ny fivavahana kristiana teto Madagasikara. Tadidio fa nohomboana tamin’ny lefona tany Ambohipotsy I Rasalama martiora tamin’ny 1837. Ary nanaraka azy taty aoriana ireo Martiora an-jatony izay vavolombelon’ny finoana an’I Jesoa Kristy.

Koa raha milaza isika hoe “ loharano niteraka ny ony”, dia tsy loharana teo amin’ny fivavahana kristiana protestanta akory fa teo amin’ny Fifohazana izay am-pahany amin’ny tantaran’ny Fiangonana protestanta eto Madagasikara ihany.

3.1 Dada Rainisoalambo, tao Soatanana

Efa niely tamin’ny faritr’I Betsileo ny fivavahana nentin’ny Misionera LMS tamin’izany. Ary tonga tany amin’ny faritra nonenan’I Rainisoalambo izay atao hoe Ambalavato. Nisy Fiangonana naorin’ny Misionera LMS tao . Ranisoalambo dia jentilsa nanaraka ny finoan’ny rainy izay mpanompo sampy sady Marambasia, izany hoe mpiambina andriana. Noho ny toro-hevitry ny olona dia noheverin-dRainisoalambo fa hahazoam-bola ny fivavahana ka dia mba nivavaka tao am-piangonana koa izy. Natao batisa izy ary tonga katekista nanampy ny misionera mihitsy. Taty aoriana moa noho ny fifanarahan’ny Misionera dia nisolo ny LMS ny Loterana.

Tsy nivavaka tamin’ny fony anefa izy fa olona nitady tombon-tsoa ihany satria ny ody sy ny forongony ary ny sikidiny dia mbola tazoniny ihany. Indray andro narary mafy I Rainisoalambo fa feno vay ratsy hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am- paladiany.Voarakitry ny tantara ny namohazan’Andriamanitra an- dRainisoalambo . “Koa tamin’ny alin’ny 14 Oktobra 1894, taorian’ny sakafo hariva, hoy ny raki-tsoratra, izany hoe tokony ho tamin’ny 9 ora alina eo ho eo, dia nitodika tamin’Andriamanitra izy ka nivavaka hoe : De ny manao akory soasoa, Andriamagnitsa o, ro de anton’ny ijaliako tahaka izao ? Mifogna aminao aho, mba sitragno aho. Amena.” – Toy ny rendremana izy taorian’izany vavaka izany, ka nahita fahazavana lehibe avy teo amin’ny tafon-trano sy lehilahy miakanjo fotsy lava mijoro teo akaikiny, nijery azy tamim-pitiavana lalina sady niteny taminy hoe : “Ario aby ny odinao, dia ho sitragna agnao.” Taitra Rainisoalambo. Nahatsiaro saina tsara. Nanjavona teo ilay fahitana.”

Iny alina iny ihany, dia niarina Rainisoalambo, nangoniny ny ody nivavahany ary nodorany teo am-patana. Nivavaka izy, nahatsiaro ireo tenin’Andriamanitra novakiany teo aloha.Vonton’alahelo sy nilona tamim-bavaka izy ary nibebaka ny fahotany tamin’ny fony rehetra. Nikasika azy Andriamanitra iny alina iny, sitrana izy, maina ireo feriny. Nahatsiaro ny herin’ny Fanahy Masina tao anatiny izy. Nony vao mangiran-dratsy ny andro nohadiany ireo ody naleviny tany an-tsaha ary nariany tany andava-piringa. Olombaovao voavela heloka sy nahazo fahatsitranana I Rainisoalambo nanomboka teo.

3.2 Ineny Ravelonjanahary tao Manolotrony

Zanaky ny LMS koa I Neny Ravelonjanahary. Nitana ody toy ny ankamaroan’ny olona tami’izany I Renilahy fa izany no fiantsoana azy tamin’izany. Ny nanamarika ny fiantsoan’ny Tompo azy dia nisehoan’I Jesoa taminy matetitetika. Tao an-tranony raha nanadio landihazo izy, tany an-tsaha raha naka via izy. Efa 60 taona izy no nisehoan’ny Tompo toy izany izay. Indray hariva dia nahita zavatra mamirapiratra izy, ary nony avy eo dia nisy feo niteny taminy mba hijery ny rantsan-tànany folo. Nanazava taminy ilay niseho taminy ka nanao hoe : “ Ny didy folon’Andriamanitra ireo voasoratra ireo. Izay rehetra mino an’Andriamanitra noho ny teny izay ambaranao dia ho sitrana amin’ny aretiny rehefa hametrahanao ny tànanao.”

Ny Tompo mihitsy no nampianatra azy tamin’ny fomba mahagaga izay tsy takatry ny saina maha olona. Maty nandritra ny 6 andro izy ary nasain’ny Tompo nilazana ny havany mba tsy handevina azy fa amin’ny andro fahafito hoy ny Tompo dia hitsangana ianao.. Taorian’izany indray dia niteny taminy ny Tompo nanao hoe : “ Ny fanahinao dia hakarina any an-danitra, ary omena fanahy hafa kosa ianao mba tsy hahafaty anao.” Nandritra ny telo volana dia tsy nisakafo izy afa tsy ranomangatsika. Tany an-danitra no nampianarana azy nandritra io telo volana io . Araka ny tantara dia mbola maty nandritra ny telo andro indray Ineny Ravelonjanahary . Maty Zoma izy ary nitsangana velona ny Alahady, ary natrehan’ny olona maro izany zava-mahagaga izany. Ny finoana no namafisin’I Neny Ravelonjanahary tamin’ny fampianarany. Raha misy manatona azy mba hositraniny dia izao ny fiteniny : “Tsy mahay manasitrana aho tompoko, fa raha mino an’I Jesoa ianareo , dia Izy no hamaly ny hetahetanareo.”. Betsaka ny fanasitranana sy ny zava-mahagaga nataony .

3.3 Nenilava tao Ankaramalaza

Volahavana no tena anarany, fa ny hoe Germaine dia anarana nofidiany rehefa natao batisa izy. Ny Fiangonana Loterana no nisy azy. Vao folo taona monja Nenilava dia nandre feo niantso azy isaky ny amin’ny 12 ora atoandro. Tamin’ny maha zaza azy anefa dia tsy fantany izay niantso azy. Niverimebrina tamin’ny nofiny ny nanasan’ilay olona ranjanana ny tongony   sady namafany azy tamin’ny lamba famaohana. Nony feno 17 taona Volahavana Germaine dia nanambady an’I Mosesy Tsirefo, izay katekista tao amin’ny Fiangonana noho ny faneren’ny rainy azy.
Ny Alarobia 01 Aogostra 1941 no nanombohan’I Nenilava ny asa rehefa nifampitolona tamin’ny tovovavy kely iray demoniaka izy. Nivoaka ny demonia ary niteny hoe : “ Hivoaka izahay, hivoaka izahay , fa tonga ilay mehery noho izahay”. Dia lasa daty malaza tsarovana isan-taona ho an’ny Toby lehibe Ankaramalaza io daty io. Mialohan’io asa nataon’I Nenelava io, dia nentin’Andriamanitra tamin’ny tsindrimandry tany an-danitra izy, nasehon’Andriamanitra azy ny hiran-danitra tsara tsy hay lazaina sy hiakiakan’ny very any amin’ny afobe. Ary hoy Jesoa taminy : “ Ao no hisy anao raha tsy mety manaiky ny teniko ianao.”  Nanaiky I Nenilava , ary izao no tenin’ny Tompo taminy tamin’ny Alakamisy 02 Aogostra 1941 : “ Mitsangàna, mitoria ny Filazantsara  eny tontolo eny. Avoahy    ny devoly. Miasà…Aza mangataka andro.Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’olona eto amin’ity firenena Matitanana sy Ambohibe ity. Hianareo no nofidiko hanambara izany. Mandidy anareo Aho.”
Araka ny voalaza ao amin’ny bokikely  “ Graines d’Evangile”, izay manazava ireo Fiangonana mahaleotena aty Afrika, I Nenilava dia nipoitra avy amin’ny Fiangonana Loterana, ary tsy mba nitarika ny Fifohazana Ankaramalaza hiala amin’ny Fiangonana12. Nisy fotoana nanokanana azy tamin’ny fomba miavaka. Ankanjo miavaka araka ny toro-marika nomen’Andriamanitra an’Inenilava no nanjairana ny akanjo dia araka izay hita ao amin’ny Eksodosy 28 sy ny Apokalypsy 19. Tany Ankaramaza no natao ny fanokanana an’I Nenilava tamin’ny 1 sy 2 Aogostra 1983, ary Pastora Loterana no nanao ny fanokanana. Betsaka ny fahagagana sy ny fanasitranana nataony. Voalaza fa Jesoa mihitsy no nampianatra azy fiteny tsy fantatra mba hampitombo ny fahaizany ny Soratra Masina ho entiny mitory mazava ny Tenin’Andriamanitra.

3.4 Rakotozandry Daniel tao Farihimena.

Amin’ireo raiamandreny efatra mitondra ny toby lehibe, dia Rakotozandry Daniel irery no Pastora . Farary hatry ny fahazazana Rakotozandry, toratorana matetika izy, ary efa nampoizina ho toy maty aza indray andro. Hoy ny fitantaran’I Rakotozandry ny momba azy tamin’izay : “ Raha tao am-patoriana naharitra  toy izany anefa aho, dia indro hitako olona miakanjo fotsy lava nijiro teo anilako sady  niteny  tamiko  nanao  hoe  :  raha  matoky Ahy ianao,  dia hanasitrana ny aretinao Aho. Nanaiky ny teniny aho fa hatoky Azy, ka taitra sady niarina teo amin’ilay torimasoko aho, dia ilay fahatoranana  naharitra  teo. Variana  tamin’izay nahita  ny reniko nitomany teo anilako, sy noho ny tavako efa voafehy mosara ary noho ireo vahoaka tonga handevina hono.”13
Indray andro dia norombahany tamin’ny ombiasy iray ny zanaka anabaviny izay narary. Nilaza hahasitra ity zaza ny Ombiasy nefa tsy nahasitrana. Nivavaka kosa Rakotozandry ary nanao hoe :” Andriamanitra o, aza omena ny hafa ny voninahitrao fa asehoy eto mba hampiaky ity jentilisa ity.” Sitrana ilay zeta ary niantso an’I Rakotozandry hoe : Dadatoa, Dadatoa. Nanomboka teo dia “Dadatoa” no nanjary anarana niantsoana an’I Rakotozandry Daniel. Tsy nisy olona afaka nanafina ny fahotany na ny zavatra nataony tamin’I Dadatoa fa nambran’I Jesoa taminy avokoa ireny mba hahatonga ny olona hibebaka sy hiaiky ny fahotany. Be ny toriteny sy ny fampianarana ary ny fahagagana nataon’I Dadatoa. Indray andro dia hoy Jesoa taminy : “ Miandry anao ny olona fa mahay mitoriteny ianao…mahay manasitrana ianao…mahavita fahagagana ianao. Te- hahita anao ny olona. Takona ny voninahitro fa tsy izaho intsony no tadiavin’ny olona fa ianao. Aza malahelo Rakotozandry malala o, ianao no hiaraka amiko, hiaraka isika roalahy izao, ary ny asa tsy vitanao aty hataoko.”